Bika aman’endrika : fikafika mahatanora kokoa
Tsy azo ihodivirana ny marika navelan’ny taona rehefa miha lehibe isika. Azo atao tsara kosa nefa ny mitazona bika aman’endrika tanora hatrany na dia efa nahazo taona aza. Ireto manaraka ireto ary ny santionany amin’ireo torohevitra mahatanora kokoa tsara ampiharina.
Karakaraina tsara ny hoditra
Anisan’ny faritry ny vatana ahitana ny mariky ny taona ny hoditra sy ny hodi-tava. Mora mikentrona, miroraka, makiana… izy ireo rehefa mandroso taona isika. Mahatanora kokoa arak’izany ny fikarakarana tsara ny hoditra amin’ny andavanandro. Maro ireo zavatra mila atao, toy ny fanomezana « hydratation » tsara ny hoditra, miaro azy amin’ny taratry ny masoandro, diovina amin’ny « produits » malefaka mba hiala ireo loto sy « cellules mortes »…
Atao malefaka ny « maquillage »
Hita taratra eo amin’ny endriky ny tarehy sy ny hodi-tava ny mariky ny taona. Mba hanakonana izany dia maro amintsika ny misafidy manao « maquillage » miloko sy mavesatra kokoa. Vao maika nefa mahantitra ny endrika ny fanaovana izany. Ny tsara atao dia ny mampiasa loko maivamaivana ary tsindriana amin’ny « eye-liner » manify ny fijery. Safidiana tsara ihany koa ny lokomena anaovana. Tsara raha tsy manao lokomena midorehitra be loatra.
Ahena ny firavaka
Rehefa voasafidy tsara ny firavaka dia manasongadina tsara ny tanana, tarehy sy ny tenda. Raha toa kosa ka tsy voafidy tsara na be loatra izy ireny dia lasa mahantitra ny bika aman’endrika amin’ny ankapobeny. Mahatanora kokoa ny mitondra firavaka iray miavaka. Azo atao ohatra ny manao kavina dia tsy manao rojo, na manao rojo dia tsy manao « bracelet »…
Amboarina ny volo
Mahatanora endrika kokoa ny manana volo salama sy malandilandina tsara raha oharina amin’ny volo miloko. Marina fa mety manova endrika ary mety mahatanora ny fanakonana ny volo fotsy amin’ny fandokoana volo. Raha tsy voakarakara tsara nefa ny volo dia mety vao maika mahantitra ny endrika amin’ny ankapobeny. Tsy adinoina ihany koa ny manapaka ny volo raha hita fa manantitra ny volo lava.
Atao mahintsy tsara ny fijoro
Mampatsiahy ny fahavitrihana sy ny fahatanorana ny fijoroana mahintsy tsara. Mifanohitra amin’izany ny fivokonan’ny lamosina rehefa mijoro na rehefa mandeha. Mba hitazomana ny bika aman’endrika ho tanora kokoa dia ilaina ny mitraka sy mijoro mahintsy tsara hatrany.
Safidiana tsara ny fitafy
Maro tokoa ireo karazana akanjo manantitra ny bika aman’endrika, toy ireny « col roulé », « tailleurs », lokon’akanjo antitra… Mahatanora kokoa ny manao ireo akanjo maivamaivana nefa mihaja sy maotina, toy ny « cols bateaux », « col arrondis »… Raha azo atao dia akora toy ny « lin » na « soie » ary tsy be filirony no anaovana mba hahatanora ny paozy amin’ny ankapobeny.