« Soins palliatifs » : vitsy mahafantatra nefa manan-danja eo amin’ny fitsaboana
« Soins palliatifs » no fikarakarana manokana omena ireo marary izay efa anaty dingana farany amin’ny aretina na koa tratran’ny aretina mahafaty. Efa nisy teto amintsika hatry ny ela ireo karazana fitsaboana ireo nefa mbola vitsy no mahafantatra ny mikasik’izany. ‘Ndeha àry ho resahana ny momba ny « soins palliatifs ».
Inona no atao hoe « soins palliatifs » ?
Ny « soins palliatifs » dia fitambarana fitsaboana hanatsarana ny kalitaom-piainan’ny olona manana aretina tsy azo sitranina intsony. Tafiditra ao anatin’izany aretina izany ohatra ny homamiadana tonga amin’ny dingana farany na « phase terminale ». Karazana fitsaboana mifantoka amin’ny fanamaivanana ny fanaintainana sy ireo jaly rehetra ara-nofo sy ara-tsaina mahazo ny marary ny « soins palliatifs ». Manampy amin’ny fanohanana ara-tsaina sy ara-tsosialy ireo fianakavian’ny marary ihany koa izany.
Oviana no miditra amin’ny « soins palliatifs » ny marary ?
Afaka miroso amin’ny « soins palliatifs » amin’ny fotoana rehetra ny marary, na dieny vao voamarina aza ilay aretina, fa tsy voatery amin’ny dingana farany rehefa tsy azo sitranina intsony akory. Izany hoe azo atao tsara ny mampiaraka ny « soins palliatifs » amin'ny fitsaboana atao.
Iza no miandraikitra ireto karazana fitsaboana ireto ?
Koa satria ny « soins palliatifs » dia fitambarana fitsaboana maro mifantoka amin’ny fanamaivanana ireo jaly mahazo ny marary tsy afaka sitranina intsony, mazava ho azy fa fivondronana mpitsabo maro no manatanteraka azy ireny. Noho izany dia ahitana mpiasan’ny fahasalamana toy ny mpitsabo, mpitsabo mpanampy, psychologues, kinésithérapeutes ny mpandray an-tanana ny marary.
Ny maha zava-dehibe ny soins palliatifs eo amin’ny fianakavian’ny marary
Ny « soins palliatifs » ho an’ny manodidina ny marary dia mifantoka amin’ny fanampiana azy ireo amin’ny fiatrehana ilay aretin’ilay marary ary koa ny tohana ara-psykolojika sy ara-tsosialy ilaina amin’izany. Rehefa voaomana ara-tsaina tsara ny amin’ny fahafatesan’ilay marary ireo fianakaviana dia mora kokoa ho an’ireto farany ny hiatrehana ny fisaonana. Raha notanterahana araka ny tokony ho izy ireo fitsaboana « palliatifs » dia tanteraka ilay fitenin’ny Malagasy hoe « afa-nenina » ny fianakaviana ka ho maivanana kokoa ny fisarahana amin’ny havana narary.
Aiza no toerana hanatanterahana ny « soins palliatifs » ?
Raha ny eto Madagasikara manokana, ao amin’ny « service oncologie » na ny sampandraharaha misahana ny homamiadana no isany ahitana ny « soins palliatifs ». Ahitana azy io arak’izany ao amin’ny HJRA sy ireo « services oncologie » misy manarena ireo renivohi-paritany tsirairay. Afaka atao any amin’ny hopitaly moa ireo fanaraha-maso sy ireo fandraisan-tanana ireo. Afaka mangataka ny fanatanterahana izany any amin’ny toeram-ponenana ihany koa moa ny marary sy ny fianakaviany, satria misy mpitsabo manokana afaka manatanteraka izany.