Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny aretina bonibony
Otrikaretina mora mifindra azo avy amin’ny bakteria ny bonibony na ny « scarlatine ». Ny ankizy eo anelanelan’ny 5 sy 15 taona eo no tena tratran’izy ity, fa mety hahavoa ny zaza sy ny olon-dehibe ihany koa nefa izy io. Tsy azo atao tsirambina ny bonibony satria mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana. ‘Ndeha ho resahana eto ireo tsara fantatra mikasika ity aretina ity.
Ny antony sy fomba fifindran’ny aretina bonibony
Ny bonibony dia azo avy amin’ny bakteria « Streptococcus pyogenes » izay mamoaka poizina manafika ny hoditra (érythrogène) ka mahatonga ireo soritr’aretina manamarika ilay aretina. Amin’ny alalan’ny fifampikasohana mivantana amin’ny tsiranoka avy amin’ny orona na avy ao amin’ny tendan’ny olona marary, amin’ny alalan’ny rivotra misy piti-drora na koa amin’ny fikitihana zavatra nampiasain’ny marary ka misy ilay bakteria no hifindran’ny bonibony.
Ireo soritr’aretin’ny bonibony na « scarlatine »
Manomboka eo amin’ny 2 hatramin’ny 5 andro taorian’ny nahazoana ilay otrikaretina no miseho ireo soritr’aretin’ny bonibony. Anisan’ireo soritr’aretina ny :
-« Eruption cutanée », izany hoe misy bontsibontsina kely menamena maro miseho eo amin’ny hatoka, ny tratra, ny lamosina ary ny rantsam-batana. Mivaramena ny tarehy ary somary hatsatra ny manodidina ny molotra ;
-« Angine rouge », menamena ny ao anatin’ny tenda, manaintaina, mivonto ny « amygdales » ary mety hisy teboteboka fotsy ;
-« Langue framboisée », izany hoe menamena be ny lela ary mibontsibontsina ny « papilles » ;
-Fanaviana mihoatra ny 38,5°C ny hafanana ;
Mety hahatsapa marary an-doha, marary ao amin’ny kibo, maloiloy na koa mandoa ilay marary.
Fitsaboana ny bonibony
Raha mahatsikaritra ny iray na ny maromaro amin’ireo soritr’aretina voalaza ireo dia mila manantona mpitsabo avy hatrany. Amin’ny ankapobeny dia tsaboina amin’ny « antibiotiques » mandritra ny 10 andro ny bonibony. Mila taperina hatramin’ny farany ny fanafody na dia afaka vetivety aza ireo soritr’aretina mba hisorohana ny mety ho fahasarotana.
Ireo mety ho fahasarotana
Raha tsy voatsabo ara-dalàna ny aretina bonibony dia mety mitarika fahasarotana ara-pahasalamana, toy ny :
-« Rhumatisme articulaire aigü » izay « inflammation » ny vanintaolana, ny fo sy ny atidoha ;
-« Glomérulonéphrite aigüe » izay aretin’ny voa ;
-« Abcès », izany hoe mamoro-nana eo anivon’ny « amygdales », ny hatoka na faritra hafa amin’ny vatana.
Fisorohana ny aretina
Mba hisorohana ny aretina bonibony dia mila :
-Sasana tsara sy matetika ny tanana ;
-Tsy mifampikasoka sy mifanerasera be loatra amin’ny olona mararin’ity aretina ity ;
-Arahana tsara ny fitsaboana mba hisorohana ny fiparitahan’ny aretina.