Mangana : ireo fomba natoraly manampy hanalana izany
Marary sy elaela vao misinda ny mangana amin'ny vatana. Misy ireo torohevitra natoraly afaka ampiarina mba hampitony azy ireny sy hanafainganana ny fahasitranany. Araho eto àry ny santionany amin’ireo fikafika natoraly manampy hampisindana ny mangana.
Inona no atao hoe mangana na « ecchymose » ?
Ny mangana eo amin’ny hoditra na « ecchymose » dia fahavakisana lalan-drà ao ambanin’ny hoditra vokatry ny ratra na dona mafy. Rehefa vaky ilay lalan-drà dia lasa misy rà miangona ao ambanin’ny hoditra. Lasa mihasimba io rà miangona io ka mahatonga ny lokon’ilay faritra mangana ho manga matroka. Rehefa mandeha ny fotoana dia lasa miova maitso izy io avy eo somary mihamavo ary farany afaka tanteraka.
Marihana fa mety hisy mangana avokoa ny faritra eo amin’ny vatana. Mety hiova araka ny toerana misy azy ny endrik’izy io. Ny mangana eo amin’ny tarehy ohatra dia mety hivonto, ary ny mangana eo amin’ny ranjo mety tsy hahafahana manetsika tsara ity farany. Amin’ny ankapobeny dia marary ny mangana rehefa kitihina fa mitony miandalana nefa izany rehefa mandeha ny fotoana.
Tsy azo afangaro ny « ecchymose » sy ny « hématome » na dia samy mangana aza ny fahitantsika azy ireo eo amin’ny hoditra. Ny « ecchymose » dia karazana ratra eo amin’ny hoditra ivelany izay tsy dia atahorana loatra sy mety sitrana ho azy. Ny « hématome » kosa dia ratra mafy mahazo ny lalan-drà ambanin’ny hoditra ka betsaka kokoa ny rà miangona aterany. Lehibe kokoa izany ny « hématome » ary ela vao sitrana. Mila mandeha mpitsabo hahazoana ny fitsaboana sahaza izany.
Ireo fomba natoraly manampy hitsaboana ny mangana
Araka ny voalaza teo ambony dia sitrana ho azy ny mangana eo amin’ny hoditra rehefa afaka andro na herinandro vitsy. Misy ireo fomba natoraly afaka atao mba hanafainganana ny fahasitranan’ny mangana :
-Asiana « glace » eo amin’ny faritra voadona. Vao vantany voadona na voakapoka mafy eo amin’ny faritra iray amin’ny vatana dia petahana « glace » avy hatrany mandritra ny 10 minitra fara fahakeliny. Ny hatsiaka dia mampihena ny fivoahan’ny rà ary mandrisika ny fikatonan’ilay lalan-drà vaky. Alohan’ny hametahana ilay « glace » dia rakofana lamba ity farany mba tsy hampamaivay ny hoditra ;
-Atao « cataplasme » amin’ny akora natoraly mampitony ny mangana. Izany hoe totoina ilay zavamaniry ary io no apetaka eo amin’ilay faritra mangana mba hampisinda haingana ity farany. Anisan’ireo akora natoraly afaka ampiasaina amin’izany ny tongolo nototoana nafangaro tantely roa sotro. Azo atao ihany koa ny mampiasa ovy manta nokikisana. Misy ihany koa ireo misafidy mampiasa ravina laisoa manta.