Fomba tsotra fanaovana « gâteau renversé à l’ananas »
Fotoana fahamoran’ny mananasy izao. Maro ireo karazana nahandro afaka ampiasana ity voankazo vokatra be eto amintsika ity ka anisan’izany ny « gâteau renversé à l’ananas ». Mora karakaraina sy ankafizin’ny maro ity mofomamy vita amin’ny mananasy ity. Araho ary ny fanaovana azy !
Ireo akora ilaina raha hanao « gâteau renversé à l’ananas »
-Silaka mananasy boribory (rondelles) 8 ;
-Levure 1 fonosana ;
-Atody 3 ;
-Siramamy 150g ;
-Lafarina 150g ;
-Dibera 150g ;
-Sucre vanillé 1 fonosana.
Ireo dingana amin’ny fanaovana azy
Hafanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Afangaro anaty saladier ny dibera efa malemy, tsy mitsonika, sy ny siramamy.
Arotsaka ao tsirairay ny atody ary afangaro tsara. Avy eo alefa ny lafarina notatavanina sy ny levure.
Atao anaty lapoaly ny siramamy hanaovana « caramel ». Izany hoe ataingina eo ambony afo ary avela hitsonika ny siramamy mandra-pahazoana loko volontany. Tsy asiana rano. Rehefa miparitaka tsara anatin’ny lapoaly ny « caramel » dia alahatra eo amboniny ireo silaka mananasy.
Raha misy ambiny ny mananasy dia tetehana ary arotsaka ao anatin’ilay paty nokarakaraina teo.
Afindra anaty lasitra ilay mananasy sy ny « caramel ». Atao milahatra tsara ireo mananasy. Arotsaka eo amboniny ilay paty.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Rehefa masaka dia endrasana mangatsiaka vao esorina tao anaty lasitra.