• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fédération Française Des Diabetiques
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Hypoglycémie » eo amin’ny olona diabetika : tsy azo atao tsirambina !

16/12/2024 15:41 © Moov.Mg

Toe-javatra mampanahy ary mateti-pitranga eo amin’ny olona diabetika ny « hypoglycémie ». Mety mahatonga fanelingelenana eo amin’ny lafin-javatra maro eo amin’ny andavanandron’ny marary sy ny manodidina azy izy io ka tsy azo atao tsirambina. Fa inona tokoa ny mety mahatonga ny « hypoglycémie » ? Ahoana ny fisehon’izany sy ny fisorohana azo atao ?

Inona no atao hoe « hypoglycémie » eo amin’ny olona diabetika ?

Rehefa ambany loatra ny tahan’ny siramamy anaty rà dia izay no atao hoe « hypoglycémie ». Samy mety ho tratr’izany avokoa ny olona rehetra fa ireo diabetika no tena voakasika kokoa. Raha ny tokony ho izy dia voarindran’ny « insuline » ny siramamy anatin’ny rà.
Ny «insuline » dia hormonina iray mampiditra ny siramamy anatin’ireo sela mba ho lasa angovo. Eo amin’ny olona diabetika nefa mety hisy fikorontanana io fandrindrana io, indrindra rehefa ambony loatra ny « insuline » raha mihoatra ny siramamy anatin’ny rà. Raha izay no mitranga dia lasa manao « hypoglycémie » ilay olona.

Ahoana ny fisehon’ny « hypoglycémie » ?

Mety miseho amin’ny alalan’ny fambara maro ny « hypoglycémie ». Mila mijery ny tahan’ny siramamy anatin’ny rà na ny « glycémie » ny olona diabetika raha toa ka miseho ny iray amin’ireto soritr’aretina ireto :
-Mangovitra ;
-Tsemboka be ;
-Vizaka ;
-Kizitina na mikorontana ny loha ;
-Marary an-doha ;
-Fanina ;
-Mahatsiaro noana be.
Raha manao « hypoglycémie sévère » ilay olona dia mety tsy hahatsiaro tena na hanao « crises ». Noho izany dia mila fandraisan-tanana malaky raha vao miseho ny iray amin’ireo fambara voalaza ireo.

Ireo antony mety mahatonga ny « hypoglycémie »

Maro ireo anton-javatra mety mitarika ny « hypoglycémie » eo amin’ny olona diabetika, ka anisan’izany ny :
-Fatra ambony loatra ny « insuline » na ny fanafodin’ny diabeta nampiasaina ka lasa nampidina ambany ny tahan’ny siramamy anaty rà ;
-Tsy fahampianan’ny sakafo nohanina, toy ny hoe tsy nihinana sakafo maraina na atoandro na hariva, na koa kely loatra mihoatra ny mahazatra ny fatran’ny sakafo nohanina. Raha izany no mitranga dia lasa tsy ampy ny siramamy anatin’ny vatana ka lasa tsy mifandanja amin’ny « insuline » ;
-Fampiasana vatana loatra izay mampitombo ny fampiasan’ny hozatra ny siramamy ka lasa midina ny siramamy anatin’ny rà ;
-Fisotroana toaka satria mety mampihena ny famokaran’ny aty siramamy ny toaka.

Ny fisorohana ny « hypoglycémie »

Mba hisorohana ny « hypoglycémie » na ny fidinan’ny tahan’ny siramamy anaty rà dia tandremana tsara mba :
-Ho ampy ny sakafo hoanina ary atao amin’ny fotoana raikitra fa tsy miovaova ;
-Hajaina tsara ny fatran’ny « insuline » na ny fanafody diabeta ampiasaina. Raha tsapa fa mihoatra na tsy ampy izany dia manantona ny mpitsabo ;
-Hatao amin’ny antonony ny fanantanjahantena atao. Jerena ihany koa ny « glycémie » aloha sy aorian’ny fampiasana vatana. Mety mila mihinana sakafo kely hisorohana ny siramamy tsy hidina ambany loatra ;
-Fadiana ny misotro toaka, indrindra raha mbola tsy nisakafo na rehefa noana. Mila mihinana zavatra rehefa misotro toaka mba tsy hidina ambany ny « glycémie ».

Ahoana no atao raha manao « hypoglycémie » ?

Raha toa ka manao « hypoglycémie » ny olona diabetika iray dia ireto manaraka ireto ny dingana mila atao :
-Jerena amin’ny alalan’ny « glucomètre » ny tahan’ny siramamy anaty ràny. Raha ambany noho ny tokony ho izy dia mila atao izay mampiakatra izany.
-Misotro ranom-boankazo mamy na mihinana vatomamy na mihinana « comprimés de glucose ». Fadiana ny sakafo matavy izay mampiadana ny fandraisan’ny vatana ny siramamy.
-Miandry ary averina jerena indray ny « glycémie » afaka 15 minitra. Raha ilaina dia averina indray ny fampiakarana ny siramamy natao teo aloha.
-Raha tsy mijanona ireo soritr’aretina na raha tsy mahavita misotro na mihinana zava-mamy dia mila manantona mpitsabo.

Lire la suite

Articles Similaires