Betsileo : Anarandray, kolontsaina tsy lefy laza
Talohan'ny taona 1900, izany hoe nandritra ny fanjanahantany, dia efa nanana ny kolontsaina nampiavaka azy ny Betsileo, na Betsilao. Foko iray ao amin'ny renivohitry ny faritra Atsimon'ny Nosy izy io, izany hoe amin'iny Lalampirenena faha-7 iny, dia eny Ambositra, Ambohimahasoa hatrany Fianarantsoa. Tafiditra amin'izany ihany koa ny any Imerin'Imady.
Anarandray, kolontsaina mahasoa ny fiarahamonina
Ireo vontoanton-kevitry ny fihavanana malagasy no fototra ijoroan'ny "anarandray". Mibahana ao anatin'izany ny fiarovana ny anaran-dray tsy ho lefin'ny taona, ny fanomezan-danja ny tany niaviana ary ny fifanampiana eo amin'ny fiarahamonina. Misy fiantraikany eo amin'ny lamina sy ny fombafomba isankarazany izany. Tokony atao ohatra ny manorina trano sy fasana eo amin'ny tanàna naha-lehibe, mba tsy hiala ao, ary hiverina ao foana na dia avezivezin'ny fianarana sy ny fitadiavana aza. Adidy mihitsy izany ny fameloma-maso ny anaran-dray, amin'ny fikarakarana ny tanindrazana. Mandritra ny fanorenena ny trano sy ny fasana dia mifanampy avokoa ny mpianakavy. Manolo-tanana ihany koa ireo mpiray vodirindrina sy mpiray tanàna. Na eo aza ny firaisankina amin'ny fanorenena, azo lazaina fa mifaninana mihitsy ny isam-pianakaviana mba hampiavaka ilay "Anarandray".
Mbola tafiditra ao anatin'ny "Anarandray" ihany koa ny famadihana. Ny fikarakarana rehetra sy ny lanonana dia entina hampisongadinana ny firaisankinan'ny mpihavana sy ny mpiara-monina. Ny olona manao adidy no manan-kasina sy mendrika hajaina amin'ireo Betsileo. Azo lazaina fa mitondra fandrosoana eo amin'ilay tanàna izany satria mifanohana hatrany ny mpihavana sy ny mpiara-monina, na an-kafaliana na an-karatsiana.
Vadin'anarandray, fanambadiana hahazoana taranaka hanohy ny anarandray
Mahasarotiny ny tena Betsileo ny fanambadiana. Amin'ny ankapobeny dia ny samy avy ao amin'io foko io ihany no tokony hifanambady, mba hitandrovana ilay "Anarandray". Raha olona hafa foko mantsy no alaina vady dia ahiana tsy hanaraka na handrava mihitsy ny kolontsaina izay efa nolalaina hatramin'izay. Tsy midika nefa izany hoe tsy mahazo mampaka-bady avy amin'ny faritra hafa ireo lehilahy Betsileo.
Tsara ny manamarika fa "aferan-dehilahy" ny anarandray. Ny zanakalahy ihany izany no mpandova, satria ny zanakavavy dia manara-bady ka mamelomaso ny anarandrain'izay vadiny. Rehefa manaiky ampakarin'ny lehilahy iray izany ny vehivavy dia manaiky hijanona ao an-tanàna sy hanao izay hikolokoloana ny fananana nolovaina tamin'ny anarandrain' ny andefimandriny.
Raha toa ka tsy miteraka lahy ny mpivady, miandry zafikely lahy izy ireo ka iny no atao hoe "zaza miverina" satria mandova ny anaran-draibeny avy any amin'ny reniny. Misy kosa nefa ireo raim-pianakaviana miaraka amina vehivavy hafa hahazoana zazalahy, ka tsy afa-mandà io zaza io ilay tena vadiny. Na tsy hita mandritra ny fotoana maharitra aza ny lehilahy noho ny fitadiavana, mijanona amin'ilay tanàna nolovaina foana ny vadiny sady mikarakara ny zanany. Mampieboebo ny vehivavy betsileo ny hoe "mahavita raha" na miady irery aza matetika. Tsy maharava ny fanambadiana Betsileo izany izay mety ho ditran-drangahy any ivelany, satria efa tompon-tanàna ilay tena vady, sady mipetraka amin-drafozana.