Rasoherina : Mpanjakavavy tso-pitafy indrindra teto Imerina
Vadin-dRadama II, mpanjakan'i Madagasikara tamin'ny taona 1861 hatramin'ny 1863, i Rasoherina (Rabodozanakandriana). Rehefa maty io vadiny io, ny 11 may 1863 dia nafindra taminy ny fitantanana ny firenena. Ny 12 may 1863 ny tenany no nandray ny fitondrana an'Imerina. Nanambady ny Praiminisitra roa mifanesy i Rasoherina, dia i Rainivoninahitriniony sy Rainilaiarivony rahalahiny.
Mpanjakavavy tso-pitafy
Mamirapiratra fatratra ny akanjon'ny Mpanjakavavy matetika. Hita taratra izany tamin'ireo Ranavalona telo nifandimby. Tia haingo ihany koa i Rasoherina, saingy tsotrakely ny tenany. Tsotsotra na ny lamba na ny haingon'akanjony, indrindra ny tohitena fanaovany amin'ny andavanandro. Misy sariny nanao sarindoha mihitsy aza, izay voatahiry any ami'ireo mozea maromaro eto Madagasikara. Nanana firavaka maromaro tahaka ny mpanjaka rehetra kosa nefa izy. Mihaingo fatratra ihany koa izy rehefa mandray vahiny na misy fety lehibe.
Tsara ny manamarika fa tena tia ranomanitra i Rasoherina. Misy boatin-dranomanitra maromaro mbola voatahiry ao amin'ny Rovan'i Madagasikara.
Mpanjaka nampivoatra an'Iarivo
Nisy ny fanavaozana an'Iarivo nandritra ny 4 taona nanjakan'i Rasoherina. Nisokatra kokoa ny fiaraha-miasa tamin'ny firenena vahiny. Vokatr'izany dia nanaiky nanao sonia fiaraha-miasa i Lafrantsa. Nisy ihany koa ny britanika nahazo nanofa tany sy nipetraka teto Madagasikara. Nisy ihany koa ny ambasadaoro. Tsy adino ny fifanarahana ara-barotra tamin'i Etazonia, nentina namerana ny fampidirana fitaovam-piadiana sy ny fanondranana biby fiompy. Firenena telo izany no lasa nifanerasera tamin'i Madagasikara, dia i Frantsa, i Royaume-Uni ary i Etazonia.
Tsiahivina fa tamin'ny andron'i Rasoherina no nisy lalàna nivoaka voalohany, nandrarana ny fivarotana amin'ny andro alahady. Azo lazaina fa efa nalalaka ny fivavahana kristiana nandritra ny fitondrany.
Vady natolotra an'i Radama
Ara-tantara dia ny Mpanjaka Ranavalona I no nanolotra an'i Rasoherina ho vadin'i Radama II. Efa nanana fofombady ity farany, izay tsy iza fa i Ramoma, Ranavalona II, izay zanak'olo-mpiray tampo tamin'i Rasoherina ihany. Zanak'olo-mpirahavavy izy mivady, ka izany indrindra no voalaza fa Antony tsy nahazoan'izy ireo taranaka. Marihana fa ny tarik'i Rainivoninahitriniony (lasa vadin'i Rasoherina) no nanongana ny Mpanjaka Radama II. Nisy vehivavy antsoina hoe Rasoamieja, izay tena tian'i Radama II, saingy tsy afaka nivady izy ireo noho izy tsy taranak'andriana.
5 taona i Rasoherina na Rabodo no nanjaka, saingy tsy dia nananan'ny vahoaka fitokisana firy. Nanjavozavo mantsy ny antony nahafatesan'i Radama II. Raha ny tantara novohizina sy voarakitra an-tsoratra na tao anatin’ny boky nosoratan’ny mopera CALLET sy MALZAC mantsy, voalaza fa maty nokendaina tamin’ny lamba landy tao an-dRova ny mpanjaka Radama II ary nentina nafenina eny amin’ny Rova Ilafy.