• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Tf1 Info
Image
Madagasikara

Marary an-doha, maloiloiy, mitaintaina, vizana be, avy nisotrosotro : Aleo tsy mitondra fiara na moto !

02/12/2024 08:18 © Moov

Mety hitera-doza ny fitondrana fiara raha tsy tomombana ny fahasalamana. Tsy vitsy ireo mpamily nitambotsotra ho azy, mikimpy na tsy mahatsiaro tena eo am-pamiliana. Voa mainka loza ny mety hanjo ny mpitondra kodiarandroa tsy dia "en forme" satria mety hisy fianjerana mafy, ary mety ho tatazan'ny fiara avy ao aoriana na ireo mifanena.

Fitsinjovana ny aina

Olona salama tsara sy milamin-tsaina ihany no tokony hamily fiara na hitondra moto. Raha misy mantsy ny loza mitranga dia mety haningotra ain'olona, hamoizana ny ain'ny tena sady hanimba fananana. Raha be adin-tsaina, mahatsiaro fanimpanina na ao anaty tsy fahasalamana mihitsy, tsara aloha ny tsy mikitika ny familiana.
-Na misy dia maika tokony aleha aza, aleo mindrana olona akaiky sady hahatokisana hamily ny fiara. Azo atao ihany koa ny mandeha fiarakaretsaka na manofa fiara raha ilaina.
-Raha mihinana fanafody mampatory na mampiadana ny fiasan'ny atidoha, tena tsy azo atao ny mitondra fiara.
-Raha tsy ampy torimaso na tsy natory mihitsy ny alina, aleo tsy mikiry mitondra fiara na moto. Tsy dia tsara ny mandray familiana raha niandry faty na niandry marary na nanao fety ka manantena hamonjy fodiana vao maraimbe.
Mazava ho azy, tokony manaja tena tsy mamily fiara rehefa avy nandray zava-pisotro misy alikaola. Mihena mantsy ny fahitana, sady lasa sahisahy loatra ka hanao zavatra tsy am-piheverana. Toa rano araraka an-damosin-gisa ihany izany satria toa feno fiara mitangorona avokoa ny tokontanin'ireo Bar / karaoké rehefa farampafan'ny herinandro iny.

Fitandremana hatrany

Vokatry ny tsy fitandremana no tena mahatonga ireo lozam-piarakodia sy kodiarandroa etsy sy eroa. Araka ny voalaza etsy ambony, aleo ajanona aloha ny familiana raha manana olana ara-pahasalamana na misy adin-tsaina lalina.
Tena ilaina ihany koa ny fifampitsinjovana sy fifanajana eny rehetra eny. Aleo mandefitra toy izay hitera-doza ny faninanana ireo mpisetrasetra. Na maika hamonjy fotoana aza, mila ferana ny hafainganam-pandeha. Mila fitandremana manokana ny familiana eny amin'ireny lalampirenena ireny rehefa harivariva sy faran'ny herinandro. Sorohana mihitsy aza ny fandehanana amin'ny toerana na lalana misy "randonnée" na "rallye" ireny. Tokony samy hanara-maso ny fiarany avokoa ny tsirairay ka hanatanteraka "entretien" ara-potoana. Maro ireo fiara tsy misy jiro mirehitra intsony nefa mandeha alina matetika.
Ampahatsiahivina fa tsy tokony milalao finday na mandray antso rehefa mitondra fiara na moto. Manimba ny fifantohana mantsy izany ka mety hitera-doza. Raha misy vaovao mampitaintaina, na tsara na ratsy, dia mety hanaitra sy hanakorontana ny mpamily.
Izay tongasoa ihany no arahabaina !

Lire la suite

Articles Similaires