• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Madagasikara

Fasam-bahiny Anjanahary : Fasan'ny Frantsay teto Madagasikara tamin'ny Vanimpotoana faha-Mpanjaka

21/12/2024 19:46 © Moov

Fasam-bahiny na fasam-bazaha no iantsoana ny fasana eny Anjanahary. Azo lazaina fa anisan'ny toerana manantantara sy tranainy indrindra eto Madagasikara io toerana io.

Toerana lehibe misy fasana maro ny eny Anjanahary, ka olona manofa no maro raha teratany malagasy no resaka. Tamin'ny voalohany mantsy dia ireo vahiny maty teto Madagasikara no tena nanamboarana azy io. Nampiasaina ireo Malagasy tsy manana fasana eto Antananarivo izany taty aoriana.

Tantaran'ny fasam-bahiny

Tany amin'ny manodidina ny taona 1 880 no naorina ny fasana teny Anjanahary, izany hoe efa talohan'ny fanjanahantany, tamin'ny vanim-potoana faha-Mpanjaka. Eo ho eo amin'ny 12 hektara ny faritra misy fasana.
Ny anton’ny nanorenana azy tany dia ny handevenana ireo vahiny maty teo amperinasa teto Madagasikara ka ny Frantsay no voalohany tamin'izany. Nalevina tao ihany koa ireo vata-miaramila frantsay miisa 500, izay maty teo an’ elanelan’ ny taona 1900 sy 1915. Tao koa ireo miaramila Malagasy maty ho an’ ny Lafrantsa nandritra ireo ady lehibe roa, ary koa ireo dokotera vahiny sy mpiasam-panjakàna kolonialy. Izany indrindra no nahatonga ny fiantsoana ny toerana hoe: Fasam-bahiny na fasam-bazaha.

Fasan'ny vahiny eto Iarivo

Rehefa nandeha ny fotoana, izany hoe taorian'ny fanjanahantany, nihena ny isan'ireo vahiny tena nipetraka sy nisafidy ny hilevina eto Madagasikara. Mbola azo lazaina nefa fa malalaka ny toerana, indrindra ny any anatiny. Noho izany dia navela nandevina tao ireo teratany malagasy izay tsy avy eto Iarivo, na ireo avy eto Iarivo ihany saingy tsy manana fasana noho ny antony samihafa. Voalazan'ny tompon'andraikitra avy ao amin'ny BMH nefa fa misy sarany izany, dia hofam-pasana mitentina 100 000 ariary isan-taona.
Tsara ny manamarika fa maromaro ireo olomanga malagasy milevina ao. Anisan'izany ohatra i Jacques Rabemananjara, anisan'ny mpitari-tolona MDRM, nalaza tamin'ny taona 1947. Milevina ao ihany koa i Jacques Sylla, Praiminisitra teo aloha.

Lire la suite

Articles Similaires