Ireo tsara fantatra mikasika ny « Toussaint » na ny andron’ny olo-masina rehetra
Andro tsy fiasana nefa andraisan-karama marihina isaky ny 1 novambra ny « Toussaint ». Maro amintsika no mbola tsy mahafantatra mazava ny antony ankalazana ity andro ity. Misy ireo mihevitra fa fetin’ny maty izy io. Fa inona marina no atao hoe « Toussaint » ? Avy aiza no niatombohan’izany ? Inona no fanaon’ny Malagasy amin’io andro io ?
Inona no atao hoe « Toussaint » ?
Ny « Toussaint », azo avy amin’ny hoe « tous les Saints », dia fety kristianina natao hanomezam-boninahitra ireo olo-masina rehetra, na ireo fantatra na tsia. Ny taon-jato faha IV no nipoirany rehefa nanapa-kevitra ny hahatsiaro ireo maritiora rehetra anaty fankalazana tokana ny Fiangonana romanina. Rehefa nandeha ny fotoana dia tsy ny maritiora irery no nomem-boninahitra fa ireo olo-masina rehetra.
Andro iray natokana hatsiarovana ireo havana efa maty sy ny toerany tao amin’ny fiainam-pianakaviana ihany koa ny « Toussaint ». Tsy azo afangaro amin’ny fetin’ny maty kosa nefa izany satria ny fetin’ny maty dia marihana manokana ny faha 2 ny volana novambra. Marihana fa ireo firenena miroana kokoa amin’ny katolisisma no mankalaza ny « Toussaint », toy i Frantsa, Italy sy Espaina. Ny firenena miroana kokoa amin’ny protestantisma toy i Alemaina, Angletera sy ireo « pays nordiques » dia tsy mandray ny 1 novambra ho andro tsy fiasana nefa andraisan-karama.
Ireo fomba fanamarihana ny « Toussaint »
Samy manana ny fomba hanamarihany sy hankalazany ny fetin’ny « Toussaint » ny firenena sy ny faritra tsirairay. Amin’ny ankapobeny dia toy ireto manaraka ireto ny fomba samihafa fanao rehefa 1 novambra :
-Famangiana fasana
Eo amin’ny ankamaroan’ny firenena mankalaza ny « Toussaint » dia maro ireo fianakaviana mandeha mamangy ny fasan’ireo havana akaiky. Manatitra voninkazo, labozia sy mivavaka ho an’ny fanahin’ireo maty moa matetika no atao amin’izany.
-Fanompom-pivavahana ho an’ny maty
Ho an’ireo mpino katolika dia misy ny fanompom-pivavahana tanterahana eny amin’ny Fiangonana katolika mba hitondrana am-bavaka ny fanahin’ireo maty.
-Fetim-pokonolona
Eo amin’ny firenena sasany dia fotoana hanaovana fetim-pokonolona, tsenabe sy foara isan-karazany ny andron’ny « Toussaint ».
Fankalazana ny « Toussaint » eto Madagasikara
Raha ny eto Madagasikara manokana dia fety iray lehibe mifampiankina amin’ny fomba nentim-paharazana ny 1 novambra. Maro ireo fianakaviana no mamangy fasana mba hanomezam-boninahitra ireo havana maty. Amin’ny ankapobeny dia manatitra voninkazo no atao fa misy ihany koa ireo manatitra fanatitra eo amin’ny fasana. Fotoana iray hiarahan’ny mpianakavy sy hiarahana misakafo ihany koa moa izy io.