• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Secuvelo
Image
Madagasikara

Antony 4 tokony hampiasana bisikileta

12/11/2024 20:38 © Moov.Mg

Fitaovam-pitaterana efa be mpampiasa teto Madagasikara efa ela ny bisikileta noho izy mora vidy kokoa raha oharina amin’ny kodiaran-droa sy ny fiara. Any ivelany, toy ny ao Eoropa sy Frantsa dia mihamaro ireo misafidy ny hampiasa azy amin’ny andavanandro. Ho an’ireo mbola tsy resy lahatra amin’ity fomba fitaterana ity dia resahana eto ireo antony 4 tokony hampiasana bisikileta.

Tsara ho an’ny fahasalamana ny fitaingainana bisikileta

Mitondra vokatsoa ara-pahasalamana ny fampiasana ny bisikileta ho fitaovam-pitaterana. Ny fitaingainana azy io matetika tokoa mantsy dia mampihetsika sy mampiasa ny vatana iray manontolo ary manatsara ny fiasan’ireo taova toy ny fo, atidoha, avokavoka, taovam-pisefoana… Manampy amin’ny fanaovaozana ny sela ary manatsara ny fandevonan-kanina ihany koa izany. Rehefa mamoy bisikileta dia mihaina tsara ny tratra, mikoriana tsara ny rà ary mihamafy ny hozatra. Raha te hikokoloko ny fahasalamana dia tsara ny misafidy ny bisikileta ho fitaovam-pitaterana.

Mitondra hafaliana

Ho an’ireo mbola tsy zatra dia mety mampiferotr’aina ny mieritreritra ny hampiasa bisikileta atao fitaterana. Rehefa tena mampiasa azy io nefa dia hahatsiaro tena falifaly sy tony kokoa ny saina. Rehefa mitaingina bisikileta matetika dia mahazo tsio-drivotra eny an-dalana ary afaka amin’ireo zavatra manorisory mahazatra toy ny fitohanan’ny fiarakodia, ny fisisiana taxibe, ny tebiteby vokatry ny fahatarana… Ankoatra izay dia mampitombo ny famokarana « neurotransmetteurs » atao hoe « dopamine » sy « sérotonine » ny vatana rehefa mitaingina bisikileta. Izy ireo no mandrindra ny toe-po izay mampitsikitsiky sy mahamiramirana. Manatsara ny torimaso ihany koa ny bisikileta satria vizaka rehefa hariva ka mora mahita tory.

Tsy mandany vola

Ny fandaniana lehibe amin’ny fampiasa ny bisikileta atao fitaterana dia ny fividiana ity fitaovana ity sy ireo kojakoja samihafa amin’ny fiarovan-tena sy ny fiarovana azy tsy ho mora angalarina. Ankoatra izay dia tsy mamoaka vola intsony ny fitondrana azy isan’andro. Mora lavitra ny mampiasa azy raha oharina amin’ny saran-dalana aloha amin’ny fitateram-bahoaka sy ny fitondrana fiarakodia izay mila solika, fikojakojana na koa ny vidin’ny fiara. Misy amin’ireo firenena any ivelany moa no manome vola fanampiana ho an’ireo misafidy ny mampiasa bisikileta atao fitaterana amin’ny andavandro.

Manaja ny tontolo iainana

Ny bisikileta no fitaovam-pitaterana manaja ny tontolo iainana indrindra. Tsy mila solika ny mampandroso azy fa voizina amin’ny herin’ny vatana sy ny hozatra irery ihany. Mazava ho azy arak’izany fa tsy mandoto ny rivotra izany satria tsy misy setroka mivoaka. Ny fiarakodia sy ny fitateram-bahoaka dia mamoaka setroka izay mandoto ny rivotra iainana sy mandray anjara amin’ny fiovan’ny toetrandro.

Fanamarihana

Marina fa fitaovam-pitaterana misy lafy tsarany maro ny bisikileta. Mila fitandremana kosa nefa ny fampiasana azy io satria raha tsy malona dia mety mandratra ary mahafaty mihintsy raha manao lozam-pifamoivoizana. Arak’izany dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fampiasana ireo fitaovana fiarovan-tena toy ny « casque », ny « catadioptre », ny jiro… Ankoatra izay dia mila mianatra « code de la route » tsara ny mpampiasa azy ireny mba hisorohana ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires