31 oktobra 1991 - 31 oktobra 2024 : Feno 33 taona ny fifanarahana nampitsaharana ny Krizy
Sady krizy ara-politika no ara-tsosialy no nitranga tamin'ny taona 1991 teto Madagasikara. Sady sahirana ny vahoaka no niady mafy tamin'ny fanovana teto amin'ny firenena.
Raha tsiahivina ny tantara, ny 12 martsa 1989 no lany ho filoham-pirenena Malagasy ny Amiraly Didier Ratsiraka. Izy no filohan'ny Repoblika fahatelo teto Madagasikara. Herintaona mahery taorian'izany, izany hoe ny Jona 1990, dia hita niharihary ny fanoherana ny fitondrana nisy. Nanomboka ny fihetsiketsehana nentina nandravana ny fitondrana sosialista, sady nitakiana ny hanovana ny lalam-panorenana. Nihamafy izany ka rehefa tonga ny volana jolay 1991 dia nisy ny fitokonana faobe.
Niombona ireo antoko politika mpanohitra ka nijoro ny "Hery Velona" ny 16 jolay 1991. Nivondrona tao ny antoko politika miisa 16 sy ny vovonana sosialy miisa 50. Natsangan'izy ireo ho mpitarika ny Jeneraly Rakotoharison Jean sy ny Profesora Zafy Albert. Ny 10 aogositra 1991 no andro namoizana ain'olona marobe, noho ny diaben'ny fahafahana notarihan'ireo mpanohitra teny Iavoloha. Voalaza fa olona maherin'ny 400 000 no nandray anjara tamin'izany.
Fifanarahana teo amin'ny samy malagasy
Tsy nahitam-bokany ny fitakiana ny fialan'ny Amiraly Didier Ratsiraka teo amin'ny toerany. Tsy azo naverina ihany koa ny diabe na fitokonana manodidina ny lapam-panjakana mba hisorohana ny rà latsaka indray. Noho izany indrindra no nampanekena ny "Convention du 31 octobre 1991", izay nosoniavin'ireto tononina manaraka ireto : solontenan'ny MMSM (antokon'ny filoha Didier Ratsiraka), ny Hery Velona, ny FFKM, Guy Willy Razanamasy (Praiminisitra), ary Albert Zafy (Filohan'ny governemantan'ny Hery Velona). Nety nifampiraharaha tamin'ireo mpanohitra izany ny fitondrana nentin'i Didier Ratsiraka. Tapaka tamin'izany fa mitsangana ny Tetezamita iampitana amin'ny Reepoblika fahatelo. Io fifanarahana io izany dia niafara tamin'ny faharavan'ny repoblika faharoa, rehefa natao ny fitsapan-kevi-bahoaka.
Ny andron'io 31 oktobra 1991 io no voatendry ho Filohan’ny Fitondrana Avon’ny Tetezamita ny Profesora Zafy Albert. Mbola ny tenany ihany koa no nofidian'ny vahoaka ho filoham-pirenena Malagasy ny 10 febroary 1993.