Ho lava ny faran’ny herinandro : inona no azo atao mandritra izany ?
Mitontona andro zoma ny 1 novambra amin’ity taona ity ka ho lavalava ny faran’ny herinandro. Mifanojo amin’ny fotoana fandraisan-karama ihany koa izany ho an’ireo mikarama isam-bolana. Inona ary no azo atao mandritra ity faran’ny herinandro lavalava ity ?
Mandeha manao « weed-end »
Fotoana iray hahafana mandeha manao « week-end » izao faran’ny herinandro lavalava izao. Ilaina tokoa ny miala sasatra mba misitaka kely ny rotorotom-piainana sy hahafahana manovo hery vaovao hiatrehana ny adidy sy andraikitra sahanina amin’ny andavanandro. Tsy voatery mandeha lavitra fa maro ireo toerana fitsangatsanganana afaka aleha raha ho an’ireo mipetraka eto Antananarivo manokana. Anisan’ireo toerana akaiky afaka safidiana ohatra ny any Ampefy, Andasibe… Miainga zoma maraina dia miverina asabotsy hariva na alahady maraina mba hahafahana maka aina kely alohan’ny hiverenana miasa sy mianatra ny alatsinainy.
Mitsangatsangana miala voly
Ho an’ireo tsy manana fahafahana ara-bola na ara-potoana handehanana « week-end » dia azo atao ihany koa ny mandeha mitsangatsangana iray andro. Maro ireo karazana toerana azo hisafidianana hialana voly ka miankina amin’ny zavatra tiana sy enti-manan’ny tsirairay izany. Mafana izao ny andro ka isan’ny be mpankafy ny mandeha amin’ireo toerana misy dobo filomanosana ireny. Azo atao ihany koa ny mandeha mitsidika ireo valan-javaboahary, ireo karazana toeram-pitsangatsanganana afaka anaovana « activités » samihafa toy ny karting, tyrolienne… Ankoatra izay dia azo atao ihany koa ny mitady toerana amoron-drano sy misy rivotra madio dia manao « pique-nique » ho an’ireo tsy tia toerana be olona.
Mandamina sy manadio ny ao an-trano
Tsy ny olona rehetra no tia mivoaka mandeha mitsangatsangana na mandeha manao « week-end ». Misy tokoa ireo karazan’olona izay mahazo fahafinaretana amin’ny fijanonana ao an-trano. Ho an’ireo izay misafidy ny tsy hivoaka amin’ity faran’ny herinandro lavalava ity dia afaka manararaotra io fotoana io handaminana sy hanadiovana tanteraka ny ao an-trano. Sivanina sy esorina avokoa ireo lamba sy fitaovana isan-karazany tsy ampiasaina intsony. Diovina sy fafana avokoa ireo faritra tsy voadio tsara amin’ny andavanandro. Amboarina ireo pitsopitsony simba na efa ratsy ao an-trano toy ny fanaka, rindrina… Fotoana ihany koa izao hijerevana sy hanamboarana ny tafo sao misy lava-pantsika na loaka mila tampenana satria efa ho avy ny fotoanan’ny orana ka mila miomana mba hisorohana ny tafo mitete.