• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femme Actuelle
Image
DYI

Kaikitry ny moka : Torohevitra ampitoniana ny hidihidy

19/07/2024 15:58 © Moov.Mg

Efa samy nahatsapa ny hidihidy sy ny fanelingelenana vokatry ny kaikitry ny moka avokoa isika rehetra. Misy fotoana dia mangidihidy mafy, manaintaina sy maharitra minitra maro ilay fivontosana aterak’izany. Ireto manaraka ireto ary misy torohevitra azo ampiharina hampitoniana ny hidihidy vokatry ny kaikitry ny moka.

Hosorana vinaigitra ny faritra voakaikitry ny moka

Maro amintsika no efa mahafantatra sy mampiasa ny vinaigitra hampitoniana ny hidihidy vokatry ny kaikitry ny moka. Ny vinaigitra tokoa mantsy dia mitahiry singa iray atao hoe « acide acétique ». Ity farany dia manana fiasa « antiseptique ». Izany hoe mamono ny mikraoba ary misoroka ny fihitaran’ny ratra. Mampisinda vetivety ny hidihidy sy ny fanaintainana vokatry ny kaikitry ny moka ny fampiasana azy. Maka vinaigitra 1 sotro fihinanana dia afangaro amin’ny rano 1 sotrokely. Io fangaro io no ahosotra eo amin’ny faritra mivonto sy mangidihidy voakaikitry ny moka.

Petahana rano mafana eo amin’ny faritra mibontsina

Mandaitra amin’ny fampitoniana malaky ny fanaintainana vokatry ny kaikitry ny moka ny rano mafana. Maro ny fomba azo ampiarana izany. Maka « compresse » na « coton » novontosana rano mafana ary io no apetapetaka eo amin’ilay faritra mivonto voakaikitry ny moka. Azo atao ihany koa ny mampiasa ireny dite anaty fonosana ireny ka izy mafana iny no apetraka eo amin’ilay faritra mibontsina. Mety ihany koa raha toa ka alona kely anaty rano mafana ilay faritra manaintaina iny mba hampisinda izany haingana kokoa.

Asiana « glaçon » eo amin’ilay misy kaikitry ny moka

Mitovy fiasa amin’ny rano mafana ny fampiasana ny « glaçon » izay tena mangatsiaka tokoa. Manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny faritra voakaikitry ny moka ihany koa izany izy io. Raha vantany vao mahatsapa hidihidy na fanaintainana dia petahana « glaçon » malaky eo amin’ilay faritra misy mibontsina. Manadonto ilay hoditra izany ka mihena avy hatrany ilay hidihidy sy fanaintainana. Afaka averina asiana « glaçon » raha toa ka mbola miverina mangidihidy indray.

Osorana vahona

Ny vahona dia akora natoraly manana fiasa « antiseptique » sady « anti-inflammatoire ». Izany hoe sady manakana ny ratra tsy ihitatra izy io no mampitony ny fanaintainana. Arak’izay dia azo ampiasaina hampitoniana ny hidihidy sy ny fanaitainana vokatry ny kaikitry ny moka ihany koa izy io. Osorana ditin’ny vahona eo amin’ny faritra mibontsina mba hisinda haingana ny hidihidy.

Lire la suite

Articles Similaires