• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Franceinfo
Image
Asa & Fianarana

Fialantsasatra : Ireo karazana « ateliers » tsara ampanaovina ny ankizy

04/07/2024 10:52 © Moov.Mg

Efa mihamaro ankehitriny ireo toerana mikarakara ireny « ateliers de vacances » ireny eto amintsika. Fomba iray hikolokoloana ny sain’ny ankizy sy mba hanomezana fialamboly azy ireny mandritra ny fialantsasatra ny fanaovana azy ireny. Ireto ary ny karazan’ireo « ateliers » mahasoa sy mahaliana tsara ampanaovina ny ankizy.

Ny « atelier de cuisine » na ny fianarana manao sakafo

Dieny mbola kely ny ankizy dia mila zarina sy ampianarina mikarakara sakafo. Ny fanaovana ireny « atelier de cuisine » ireny no isan’ny fomba mahomby hampianarana azy ireo fototra mila fantatra amin’ny fikarakarana sakafo sy handrisiana azy ho tia manao izany. Mazoto ary miramirana kokoa ny ankizy mianatra manao sakafo rehefa misy ankizy hafa miaraka manao izany aminy. Etsy andaniny moa dia ireo nahandro ankafizin’izy ireny sy mora karakaraina no atao ka dia mamparisika azy ireo.

Ny « atelier de danse et musique » na ny fianarana mikasika ny dia sy ny mozika

Araka izany anarany izany dia fampianarana dihy sy mozika no atao mandritra ny « atelier de danse et musique ». Ny fianarana ny dihy dia manampy ny ankizy mibaiko ny vatana sy manaraka ny « rythme » amin’ny alalan’ireo soradihy atao. Ny fianarana mozika kosa etsy andaniny dia mampahafantatra azy ireo karazana zavamaneno sy misarika azy ahay hitendry iray na maro amin’izy ireny. Ity karazana « atelier » ity dia manampy amin’ny famoahana sy fikolokoloana ny zava-kanto ao anatin’ny ankizy tsirairay.

Ny « atelier de bricolage » na ny fianarana manamboatra sy mamorona zavatra

Mila kolokoloana hatrany ny saina sy ny vatan’ny ankizy mandritra ny fialantsasatra. Ho an’ireo ankizy hita fa tia manamboatra zavatra na liana amin’izany dia ny « atelier de bricolage » no tsara ampanaovina azy. Fotoana fampiarana sy fanamafisana ireo « travaux pratiques » natao tany an-tsekoly izy ity satria ny hety, ny lakaoly, ny fitaovana fandokoana… no isan’ny miasa betsaka amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires