• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Femmes D'Aujourd'Hui
Image
Asa & Fianarana

Ankizy manoratra mivadika : fantaro ny « écriture en miroir » !

26/08/2024 09:15 © Moov.Mg

Tranga matetika fahita ny hoe manotra mivadika ny ankizy na hoe manao « écriture en miroir ». Izany hoe lasa manoratra avy any amin’ny havanana mankany amin’ny ankavia. Fa inona tokoa no mahatonga izany ary inona no vahaolana tokony atao ?

Inona no atao hoe « écriture en miroir » ?

Tranga fahita matetika ny ankizy manoratra litera na isa mivadika ka izany no atao hoe « écriture en miroir ». Ny ankizy vao mianatra manoratra manodidina ny 4 sy 6 taona eo no tena manao azy io. Mety misy olon-dehibe vitsy ihany koa nefa manao izany. Ny « écriture en miroir » dia fivadian’ny fitodiky ny litera na ny isa rehefa manoratra izany, toy ny hoe hita amin’ny fitaratra ilay soratra.

Inona no antony mahatonga ny ankizy hanoratra mivadika ?

Araka ny efa voalaza teo ambony dia tranga fahita matetika, indrindra eo amin’ny ankizy, ny fanoratana mivadika na « écriture en miroir ». Maro ny antony mety mahatonga izany :
-Avy any amin’ny fivoaran’ny atido. Ny atidohan’ny ankizy kely dia mivoatra tsikelikely. Mbola tsy lavorary ny faritra mamantatra ny endrika sy ny fitodika. Izay no mahatonga ny ankizy mety mampifangaro ny litera sy ny isa izay mety mitovitovy ny fahitana azy.
-Ny fanoratana amin’ny ankavia. Maro kokoa ny ankizy manoratra ankavia no manao « écriture en miroir ». Mananosarotra kokoa izy ireo amin’ny fizarana amin’ny fomba fanoratana satria matetika izany dia natao manokana ho an’ny fanoratana amin’ny ankavanana. Tsy voatery ny ankizy manoratra ankavia rehetra nefa no hanao izany.
-Dingana ara-dalana amin’ny fivoaran’ny ankizy. Tsara ny manamarika fa isan’ireo dingana ara-dalàna eo amin’ny fivoaran’ny ankizy ny fanoratana mivadika. Afaka ho azy izany eo amin’ny ankamaroan’ny ankizy rehefa mizatra manoratra matetika.

Oviana no tokony hanahy ny ray aman-dreny ?

Amin’ny ankapobeny dia tsy fambara olana lehibe akory ny fanoratan’ny ankizy mivadika. Mila manantona mpitsabo manokana kosa nefa raha toa ka :
-Tsy afaka io fanoratana mivadika io aorian’ny faha 7 taonan’ilay ankizy ;
-Manana olana amin’ny fianarana hafa toy ny famankiana teny, kajy… izy ;
-Manana fahasahiranana amin’ny fandrindrana sy ny fanatanterahana fihetsika (mouvements).

Ahoana ny atao hanampiana ny ankizy manoratra mivadika ?

Mba hanampiana ny ankizy manao « écriture en miroir » na manoratra mivadika dia ireto avy ny torohevitra ho an’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra :
-Manana faharetana. Mila amporisihana hatrany izy ary hankasitrahana rehefa misy fivoharana vitany ;
-Manao fanazarana mahafinaritra. Ampanaovina kilalao sy « activités » mandrisika ny fanavahana ny zavatra hitan’ny maso sy ny fampiarahana ny fampiasana ny tanana sy ny maso toy ny puzzles, kisarisary, jeux de constructions… ;
-Manoro sy mampianatra azy ny fomba fanoratana ny litera sy ny isa araka ny tokony ho izy.

Lire la suite

Articles Similaires