• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Slate
Image
Asa & Fianarana

Tara lava : ireo torohevitra sy vahaolana hialana amin’izany

12/08/2024 18:27 © Moov.Mg

Anatin’ireo karazan’olona tara lava ve ianao ? Tsy mety marim-potoana na rehefa handeha hiasa, na hianatra, na hamonjy fotoana… Mahamenatra ary mety mahatonga disadisa amin’ny hafa ny fahatarana lava. Ireto ary misy torohevitra sy vahaolana hialana amin’izany.

Mila mahatsapa tena hoe tara lava

Fomba iray manampy hialana amin’ny fahatarana lava ny fahatsapana sy fanekena fa manana izany olana izany tokoa. Izany hoe tsy manamarin-tena intsony. Tsy ahilika amin’ny zanaka, ny fitohanan’ny fiara... ny fahatarana lava. Rehefa miaiky fa manana olana amin’ny tsy fahamarinam-potoana dia afaka mikaroka ny vahaolana hialana amin’izany.

Fadiana ny manembotra ny fotoana hitsanganana eo am-pandriana

Rehefa tonga ny ora tokony hifohazana sy hialana eo am-pandriana dia avy hatrany dia mitsangana. Isan’ireo antony maha tara tokoa mantsy ny fanemorana ny fotoana hialana eo am-pandriana. Lasa mihemotra manarak’izany tokoa mantsy ny fiomanana rehetra mila atao. Tranga mety miseho ihany koa ny hoe miverina renoka eo am-pandriana.

Mahay mandamina sy mandrindra ny fotoana

Mila mianatra mandamina sy mandrindra ny fotoana mba tsy ho tara lava intsony. Matetika dia ny fikarohana ny akanjo sy ny kiraro ary ireo kojakoja samihafa ilaina rehefa miomana no tena mandany fotoana. Mba hisorohana izany dia avoaka sy atao mora raisina avokoa ireo ilaina alohan’ny handehanana matory. Raha manan-janaka dia efa homanina aloha ihany koa ny entana ilain’izy ireo rehetra, na ny fitafy izany na ny fitaovana any am-pianarana.

Fadio ny tambazotra sosialy raha misy fotoana vonjena

Raha misy fotoana vonjena dia mila fadiana ny mijery ireo tambazotra sosialy alohan’ny hiomanana sy hiaingana. Matetika tokoa mantsy dia variana eo ianao ka tsy ahita ny fotoana mandeha. Tsy tsara ny mampiasa azy ireny rehefa maraina eo am-pandriana na koa mandritra ny fotoana fisakafoanana maraina.

Miezaka mipetraka amin’ny toeran’ny hafa

Te hiala amin’ny fahatarana lava ve ? Manampy betsaka amin’izany ny fipetrahana kely amin’ny toeran’ny hafa. Ohatra amin’ny toeran’ny mpampiasa, ny mpampianatra, ny olona nifanao fotoana taminao… Ho tonga saina ho azy ianao hoe tsy rariny tokoa ary mety tsy ho zazako tokoa raha ny hafa ny manao izany ahy.

Lire la suite

Articles Similaires