• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © 20 Minutes
Image
Asa & Fianarana

Vita fialantsasatra : torohevitra hiatrehana ny fidirana am-pitoniana

04/09/2024 13:44 © Moov.Mg

Sarotra tokoa matetika ny miverina mianatra na miverina miasa rehefa vita ny fialantsasatra. Hiatrika ireo karazana rotoroto amin’ny fifohazana maraina, ny fitohanan’ny fifamoivozana, ny harerehana amin’ny asa na ny fianarana… Tsy mora nefa tsy maintsy hatrehana izany. Ireto ary misy torohevitra vitsy hiatrehana am-pitoniana ny fidirana rehefa vita fialantsasatra.

Averina ny fahazarana

Satria ny fialantsasatra dia fotoana fakana aina sy fialana sasatra dia afaka natory maraina, natory atoandro, nanana fotoana malalaka nanaovana ny raharaha rehetra… Mila averina nefa ny fahazarana talohan’ny fialantsasatra rehefa herinandro alohan’ny fidirina. Izany dia mba tsy hijaly loatra amin’ny famolahana ny saina sy ny vatana rehefa tonga soamantsara ny fidirana. Arak’izany dia mila averina hapetraka indray ny ora fifohazana, fisakafoana, fatoriana…

Homanina tsara ny fidirana

Milamina sy mitony kokoa ny saina hiatrika ny fidirana rehefa nomanina tsara izany. Atomboka amin’ny famaritana ireo zavatra mila atao hoan’ny herinandro voalohany hidirana mianatra na miasa izany. Tsara raha manamboatra fandaharam-potoana mba handanjalanjana ny zavatra hatao sy hahitana ireo tena maika mba hisorohana ny fangatahan’andro. Rehefa mipetrapetraka tsara ny fandaharam-potoana dia mora kokoa ny manatanteraka ireo zavatra miandry amin’ny fidirana.

Matory aloha

Maro tokoa ireo nanararaotra niari-tory nandritra ny fialantsasatra satria afaka natory maraina ny ampitso. Ny tsy fahampiana torimaso nefa dia miteraka havizanana ary mampihena ny fifantohana mandritra ny tontolo andro. Rehefa miverina mianatra na miasa ary dia ilaina ny matory aloha mba ho ampy tsara ny torimaso. Tsara kokoa raha mandritra ny herinandro alohan’ny fidirina no manomboka mizatra izany mba ho vonona tsara ny vatana sy ny saina.

Amboarina tsara ny saina

Mety miteraka tebiteby sy rarin-tsaina ny fieritreretana sahady ny fiveranana miasa na mianatra aorian’ny fialantsasatra. Lalana tsy maintsy diavina nefa izany ka tsy tokony atao ampiferotraina. Amboarina mialoha ny saina mba hisorohana ny fahakiviana sy ny fahakamoana rehefa tonga ny fidirana. Atomboka amin’ny fankasitrahana ny fotoana nahafahana niala sasatra izany. Aorian’izay dia mametraka tanjona hanana ny risi-po hiatrehana ny fidirana.

Lire la suite

Articles Similaires