• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Lifestyle Conseil
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fikolokoloana ny hodi-tava : mitondra vokatsoa maro ny ranom-bary

05/06/2024 14:57 © Moov.Mg

Vokatra natoraly ary tsy mandany vola be nefa mandaitra amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava ny ranom-bary. Efa maro eto amintsika no mampiasa azy io isan’andro mba hisitrahana ireo vokatsoa maro samihafa azo avy aminy. Fa inona tokoa ary ny vokatsoan’ny ranom-bary ho an’ny hodi-tava ? Ahoana ny fomba fikarakarana azy io ?

Ireo vokatsoa entin’ny ranom-bary ho an’ny hodi-tava

Efa nandritra ny taonjato maro ny mponina ao Asia no nampiasa ny ranom-bary hikarakarana ny volo sy ny hodi-tava. Manankarena otrikaina maro, toy ny vitamina B, potasioma, mineraly ary « zinc » ny ranom-bary ka izay indrindra no ampiasana azy hikolokoloana ny hodi-tava. Maro ireo vokatsoa entin’ny ranom-bary ho an’ny hodi-tava :
Manembotra ny fahanteran’ny hodi-tava noho izy mitahiry singa iray atao hoe « inositole ». Ity farany dia mandrisika ny fanavaozana ny sela. Ny « antioxydants » sy ireo mineraly kosa dia manatara ny fipoitran’ny kentrona amin’ny tarehy.
Miady amin’ireo tasy sy mony manimba ny endriky ny tarehy ihany koa ny ranom-bary. Ity akora natoraly ity dia manampy amin’ny fanidiana ny mason-koditra ka manome endrika malama hatrany ny hodi-tava. Ny fizarana mampiasa ranom-bary isan’andro dia manalefaka sy manadio ny hoditry ny tarehy.
Ny fomba fampiasana ny ranom-bary hikolokoloana ny tarehy
Tsotra ny fampiasana ny ranom-bary ho amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava. Sasana madio tsara aloha ny tarehy. Afaka mampiasa savony malefaka natokana ho fanasana tarehy avy eo kobanina tsara. Rehefa nandrasana ho maimaina ny hodi-tava dia osorana ranom-bary amin’ny alalan’ny « coton » na afaka ahosotra amin’ny tanana ihany koa.
Avela hilona mandritra ny 20 minitra eo dia kobanina amin’ny rano matimaty. Raha vao voalohany vao ampiasa ity vokatra ity dia tsara raha andramana amin’ny faritra kely amin’ny tarehy aloha izany ahitana sao tsy mahazaka ny hodi-tava.

Ny fomba fikarakarana ny ranom-bary

Misy karazany maro ny fikarakarana ny ranom-bary izay ampiasaina amin’ny fikolokoloana ny hodi-tava :

Avy amin’ny rano nandrahoana vary

Andrahoina amin’ny rano misimisy ny vary. Rehefa mangotraka elaela sy akaiky ho masaka dia esorina ilay ranom-bary mihaotra iny ary atao anaty lovia jobo. Avela hangatsiaka vao azo ampiasaina.

Avy amin’ny fandomana vary anaty rano

Maka vary 1 vera kely ary tapohana rano in-telon’ilay vera kely io ihany. Avela hilona mandritra ny 30 minitra avy eo tatavanina ny ranom-bary. Afindra anaty « bocal » na « flacon » misarona ny ranom-bary ary azo ampiasaina avy hatrany.

Avy amin’ny fandomana vary anaty rano mandritra ny fotoana ela

Mitovy amin’ny fikarakarana ny ranom-bary teo ambony ihany no atao. Maka rano 1 kaopy kely ary tapohana rano in-telon’ilay kaopy kely. Avela hilona mandritra ny 2 andro tontolo izay vao tatavanina esorina ilay ranom-bary.
Fanamarihana : Tsara raha vary gasy fotsy na vary tsipala no ampiasaina hikarakarana ity ranom-bary fikolokoloana ny tarehy ity. Azo tehirizina anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 2 andro.

Lire la suite

Articles Similaires