• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Autour Du Riz
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba tsotra fanaovana riz cantonais matsiro

02/10/2024 13:30 © Moov.Mg

Isan’ireo nahandro efa fahita eny amin’ny toeram-pisakafoanana eto amintsika ny riz cantonais. Maro ihany koa ny manao azy io ao an-tokantrano. Samy manana ny fomba fikarakarana azy io moa ny tsirairay. Ho an’ireo mbola tsy mahay na maniry hanao riz cantonais matsiro dia atoro eto ny fomba tsotra hikarakarana izany.

Ireo zavatra ilaina raha hanao riz cantonais matsiro ao an-trano

-Vary 2 kapaoka ;
-Karaoty 3 ;
-Haricots vert 200g ;
-Petits pois 150g ;
-Atody 2 ;
-Nofon-kena na nofon’akoho na charcuteries 250g ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Kotomila ;
-Tongolo 2 ;
-Voatabia 2 ;
-Menaka.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Andrahoina atao vary maina ny vary. Rehefa masaka dia loharana amin’ny koveta ary avela hangatsiaka mba ho matsiratsiraka fa tsy hiraikitra be.
Tetehana atao madinika en dés ny karaoty sy ny haricots vert. Avy eo andrahoina amin’ny rano kely nasiana sira.
Andrahoina mitokana ny petit-pois.
Endasina ny nofon-kena na ny nofon’akoho. Rehefa masaka dia tetehana lavalava. Raha charcuteries no nampiasaina dia tetehana lavalava.
Tetehana ny tongolo sy ny voatabia avy eo endasina atao saosy. Asiana sira sy dipoavatra kely.
Kapohana ny atody ary asiana sira kely. Endasina tsikelikely, atao somary manify anaty lapoaly. Rehefa vita dia tetehana lavalava.
Arotsaka ao anatin’ny vary, atao tsikelikely, ireo fangaro rehetra. Alefa aloha ny ampahany amin’ny karaoty sy haricots vert. Arotsaka ao ihany koa ny rano namasahany.
Alefa manarak’izay ny ampahany amin’ny petit-pois, ny saosy, ny hena na ny akoho na ny charcuteries ary ny atody. Afangaro amin’ny sotrobe. Avy eo arotsaka indray ny ambin’ireo fangaro.
Rehefa amin’ny farany arotsaka ny kotomila notetehana madinika.

Lire la suite

Articles Similaires