• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ampéris Energies
Image
Fahasalamana&Sakafo

Andro mafana : torohevitra hiadiana amin’ny tsy fahampiana rano amin’ny vatana

02/10/2024 14:39 © Moov.Mg

Efa noresahana ombieny ireo vokatsoa azo amin’ny fisotroana rano tsara anatin’ny tontolo andro. Fa inona kosa ny mety ho vokadratsin’ny tsy fahampiana rano ? Ahoana ary ny fomba atao mba ho ampy rano hatrany ny vatana, indrindra amin’izao andro mafana izao ?

Ny fiantraikan’ny tsy fahampiana rano eo amin’ny vatana

Ny rano no mandrafitra ny 90% ny vatan’olombelona. Izay no antony lehibe tsy maintsy hisotroana rano 1,5 litatra isan’andro farafahakeliny. Raha toa ka tsy ampy rano ny vatana dia maro ireo vokadratsy mety ho aterak’izany. Amin’ny voalohany dia mety mampihena ny fahakingan’ny saina sy ny fifantona. Mety mitarika havizanana sy aretin’an-doha ihany koa.
Raha toa ka mitohy mandritra ny fotoana maharitra ary tsy misy fandraisan-tanana ny tsy fahampiana rano dia mitombo ny fiantraikany eo amin’ny vatana sy ny fahasalamana. Anisan’izany ny fihenan’ny habetsan’ny rà ka mahatonga ity farany ho lasa marihitra kokoa. Raha marihatra ny rà dia mitombo ny hafainganan’ny fidoboky ny fo. Izany dia mahatonga ny vatana tsy afaka mamoaka ny hafanana ao anaty ka mitarika tsy fahatomombanana samihafa ao amin’ny taova.

Ireo fomba atao mba ho ampy rano tsara mandritra ny andro mafana

Mba hiadiana amin’ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana mandritra ny andro mafana dia ilaina ny :
-Misotra rano matetika mandritra ny tontolo andro, eny na dia tsy mangetaheta aza. Tsy tokony ho latsaky ny 8 vera lehibe isan’andro no sotroina, indrindra amin’izao andro mafana izao ;
-Mitondra rano amin’ny tavoahangy rehefa mivoaka ny trano mba tsy ho adino ny misotro rano sy mba hanamorana izany ihany koa ;
-Ferana na fadiana mihintsy ny misotro zavapisotro mamy, ny kafe ary ny toaka satria mety manamaina ny ao anaty izy ireny. Tsara kokoa raha rano tsotra na dite tsy misy « caféine » no sotroina, indrindra rehefa mafana be ny andro ;
-Mihinana sakafo mitahiry rano betsaka toy ny voankazo sy ny legioma. Manampy amin’ny fanomezana rano ny vatana sady mitondra otrikaina mahasoa izy ireny ;
-Fantarina ary arahi-maso ireo fambaran’ny tsy fahampiana rano ao amin’ny vatana, toy ny hetaheta, ny fahamainana ao ambava, ny havizanana na ny aretin’an-doha. Raha mahatsikaritra ireo fambara ireo dia mila maka aina sy misotro rano betsaka mba hanamandinana ny ao anaty.

Lire la suite

Articles Similaires