• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © The Conversation
Image
DYI

Hanamboatra « produits cosmétiques » natoraly : ireo fitandremana atao

10/05/2024 15:19 © Moov.Mg

Maro tokoa ankehitriny ireo misafidy ny manamboatra « produits cosmétiques » natoraly ao an-trano ho fikolokoloana ny hoditra, ny volo na ny tarehy. Azo antoka kokoa ireo karazana vokatra ireo satria fantatra tsara mazava ireo akora ampiasaina amin’ny fanaovana azy. Mila fitandremana hatrany nefa ny fanamboarana sy ny fampiasana azy ireny. Araho eto ary ny mikasika izany.

Ireo antony tokony hitandremana amin’ny fanaovana « produits cosmétiques » natoraly

Marina fa azo antoka kokoa ny vokatra natoraly amboarina ao an-trano raha oharina amin’ireo vokatra (produits cosmétiques) mitahiry singa simika. Izany nefa tsy midika fa tsy misy atahorana mihintsy ireo vokatra natoraly vita ao an-trano. Rehefa manamboatra azy ireny dia mikirakira akora vovony, menaka, dibera avy amin’ny zavamaniry, « huiles essentielles »… Ireo akora ireo ihany koa no ahositra mivantana amin’ny volo na ny hoditra. Raha tsy ampy ny fitandremana dia mety hisy fiantraikany ratsy ny fampiasana azy ireny. Mba hisorohana izany dia misy ireo torohevitra mila hajaina tsara mikasika ny fanaovana sy ny fampiasana « produits cosmétiques » natoraly.

Atao madio hatrany ny fitaovana ampiasaina

Diovina tsara avokoa ireo fitaovana ampiasaina amin’ny fanamboarana ny « produits cosmétiques » natoraly. Voakasik’izany ny boaty rehetra, ny latabatra, ny fitaovana fanafangaroana, ny vilany fandrahoana raha ilaina… Amin’ny maha natoraly ny vokatra amboarina dia tsy mampiasa akora mahery vaika toy ny alikaola na « conservateurs » amin’ny fikarakarana azy. Mila atao madio tsara izany ireo fitaovana ampiasaina mba hisorohana ny bakteria ary mba ahafahana mitahiry ny vokatra ela kokoa.

Miaro tena tsara rehefa mikirakira ireo akora

Tsara hatrany ny miaro-tena rehefa manamboatra « produits cosmétiques » ao an-trano. Indraindray tokoa mantsy dia mety mampidi-doza ny fikirakirana ireo akora ampiasaina. Mila arovana ohatra ny maso sy ny orona rehefa mampiasa akora vovony. Tsy misalasala manao solomaso sy aro vava-orina satria mety manidina ireo akora vovony ka hiditra anaty maso na orina. Arovana amin’ny alalan’ny « gants » ihany koa ny tanana. Mety misy akora tsy zakan’ny hoditra na maha « allergique » ihany koa ny ampiasaina, toy ny « huile essentielle » tsy mbola mitapoka ohatra, ka tsara hatrany ny mitandrina.

Mikaroka fomba fanamboarana « produits cosmétiques »

Mazava ho azy fa mila mikaroka « recette » na fomba fanamboarana ny « produits cosmétiques » alohan’ny hirosoana amin’izany. « Recettes » maro no jerena ary ampitahaina ireo akora ampiasana amin’izany. Tsara ihany koa raha manao fanadiadiana mikasika ireo akora samihafa mba ahafantarana ny fiasan’izy ireo tsirairay avy sy ny ilaina azy amin’ny vokatra natoraly amboarina. Alohan’ny ampiasana akora iray dia ahosotra kely amin’ny hoditra ambadiky ny felatanana izany.

Lire la suite

Articles Similaires