• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mon Petit Ange
Image
Reny&Zaza

« Enurésie nocturne » na ankizy mipipy am-pandriana : inona no atao ?

01/02/2024 14:38 © Moov.Mg

Toe-javatra mahamenatra nefa mitranga amin’ny ankizy maro ny « énurésie nocturne » na ilay ataontsika hoe mipipy am-pandriana. Ny ankizy manodidina ny 5 hatramin’ny 15 taona eo moa matetika no tratr’izany. Fa inona no mahatonga ny ankizy mipipy am-pandriana ary ahoana no atao hanampiana azy ireo hiala amin’izany ?

Inona no atao hoe « énurésie nocturne » na ankizy mipipy am-pandriana ?

Ny « énurésie nocturne » na ny ankizy mipipy am-pandriana dia midika ny tsy fahafahan’ilay ankizy mitazona pipy amin’ny alina ka dia manamando ny fandriana izy mandritra ny torimasony. Mazava ho azy fa ny ankizy efa afaka « couche » sy efa mahay madio no voakasik’izany. Izany hoe manomboka eo amin’ny 5 taona eo.
Fikorontanan’ny fahafahana mifehy ilay atao hoe « sphincters » ao amin’ny tatavy, indrindra amin’ny alina, no mahatonga ny « énurésie nocturne ». Izany hoe tsy fanahy iniana ilay mipipy am-pandriana fa lasa ho azy ary tsy tonga saina amin’izany mihintsy ilay ankizy anatin’ny torimasony.

Ireo anton-javatra mahatonga ny ankizy mipipy am-pandriana

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny ankizy mipipy am-pandriana na hoe manao « énurésie nocturne », anisan’izany ny hoe :
-Nolovaina na hoe manaranaka, izany hoe efa nitranga tamin’ny raibe na renibe, ray na reny, iray tampo… ;
-Tsy fahatomombanan’ny fiasan’ny tatavy ka mahatonga azy mikainkona sy mamoaka pipy vao vantany feno ;
-Torimaso lalina sy nofy mahatonga ilay ankizy tsy tonga saina hoe mipipy am-pandriana ;
-Fikorontanana ara-tsaina izay manatara ny fahaizan’ilay zaza hadio ;
-Tsy fahatomombanana ao amin’ny taova mpamorona ny pipy ;
-Fisian’ny areti-mitaiza sasany, toy ny diabeta, « prostate »….
-Tsy fahampian’ny tambitamby, fitiavana, fialamboly… izay miteraka rarintsaina eo amin’ilay ankizy ka misy fiantraikany amin’ny tsy fahatazomana ny pipy amin’ny alina.

Ireo torohevitra hanampiana ny ankizy mipipy am-pandriana

Mba hanampiana ny ankizy tsy hipipy am-pandriana dia ireto ary misy torohevitra vitsivitsy azo ampiharina :
-Tsy omena rano be izy rehefa alohan’ny atory ;
-Amin’ny voalohany dia mitsangana ny ray aman-dreny mamoha azy matetika amin’ny alina mba hanazarana azy. Atao mandritra ny herin'andro maromaro izany mandra-pahazatra azy ;
-Asaina mipipy foana izy alohan’ny atory ;
-Miresaka milamina sy am-pitiavana aminy ny ray aman-dreny ary manontany azy sao izy manana olana any am-pianarana, amin’ny namana na amin’ny olona manodidina azy ;
-Anontaniana izy sao misy zavatra mampatahotra na mampitaitaina azy ;
-Alaina milamina ny fony ary fadiana ny mibedy na mandatsa azy, indrindra rehefa alohan’ny atory ;
-Omena fitiavana sy tambitamby izy mba ahatoky tena ;
-Raha efa lehibe kosa izy k'anefa mbola manao an'izay foana dia mila manantona mpitsabo sao dia misy olana ara-pahasalamana mahatonga azy mipipy am-pandriana.

Lire la suite

Articles Similaires