• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Le Nouvel Economiste
Image
Sexualité & Mariage

Vady anarana : Miara-mipetraka fotsiny sisa !

10/01/2024 09:13 © Moov

Henatra goavana eo imason'ny fiaraha-monina ny fisaraham-panambadiana. Voninahitry ny zanaka ny ray aman-dreny miara-dalana hatrany, na eo aza ny fifandirana samihafa. Mbola sarotra rahateo ny dingana rehetra ara-panjakana hanapahana hevitra fa tsy hivady intsony. Na tsy dia resahina firy, sady afenina mafy mihitsy aza, marobe ireo mpivady no "miara-monina fotsiny sisa" !

Fitandrovam-boninahitra

Voatsaratsara sy voahilikilika ny olona nisara-panambadiana. Eo anivon'ny fiaraha-monina dia heverina ho olona maditra, be rendrarendra, tsy matotra izy ireny. Raha eo amin'ny sehatry ny fiangonana kosa dia mpanota, mpijangajanga, tsy laitran'ny balan'ny fananarana. Lasa ratsy maso avokoa na ireo havana, na ireo namana na ireo mpiara-monina. Tsy vitsy ireo voatery miova toerana, miova asa, miova fiangonana rehefa hanorina fiainam-baovao. Noho izany antony izany izany indrindra no mahatonga ny maro hanapa-kevitra hijanona anaty fanambadiana na efa tsy misy intsony aza ny fitiavana. Maro ireo miharitra herisetra ara-batana sy ara-tsaina satria tsy te ho afa-baraka. Tsy adino ihany koa ny fitandrovana ny zanaka mba tsy hiasa saina amin'ny olan'ny ray aman-dreny. Matetika dia na tapa-kevitra aza ny andaniny dia tsy manaiky ny ankilany ka manao izay fomba rehetra ampandehanana ilay tokantrano. Maro ihany koa ireo tena sarotiny amin'ny fananana niaraha-nihary. Misy mpivady mahavita tsy miray fandriana mihitsy, na dia hita mifampitantana aza eny an-dalana, entina hanafenana ny disadisa misy.
Iza moa no te hisara-panambadiana ? Iza no te hanary ny olontiany izay nireherehany fatratra sy nanaovany voady ? Iza no te hamela ny zanany ho kamboty velon-dray sy velon-dreny ? Saingy rehefa tena mandrotika ny fo sy mampalemy ny vatana dia mila mihevitra na ny andaniny na ny ankilany. Mila herintsaina be ny mandray lalana vaovao raha ilaina satria tsy voatery hisy hanohana, ary mila mivonona fa hiaritra fanangolena isan-karazany. Tsy azo adino mantsy fa rehefa tena efa mifankahala ny mpivady dia mety hahavita zava-doza. Maro ireo mpivady mifandrahona sy mifampitory mba tsy ho rava ny tokantrano. Efa henontsika matetika amin'ny vaovao ny hoe namono ny andaniny dia avy eo namono tena ny ankilany, manidy ny vadiny ao an-trano, manapaka filahiana, mifanondraka asidra, mifanapoizina, sns. Na tsy resahina eo amin'ny fiaraha-monina aza dia miha-mitombo ireo milalao ody ratsy noho ny fitazomam-bady. Miroborobo ny asan'ny mpahay ody fitia, ary na ireo lazaina fa mpivavaka aza dia mety lasa mitaingin-kifafa amin'ny alina.

Fandraisana fanapahan-kevitra mavesa-danja

Rehefa ela ny ela, tsy maintsy fantatr'ireo zanaka ihany ny tsy fifankahazoana eo amin'ireo ray aman-dreny, na miezaka miara-miaina aza izy ireo. Tsy vitsy ireo zanaka sahy milaza fa aleon'izy ireo mahita an'i dada sy i neny samy sambatra any amin'izay tiany aleha avy, toy izay hanjombona lava amin'ny toerana iray. Na dia mahafinaritra aza mantsy ny manana ray aman-dreny miaraka toy ny olon-drehetra, manimba tanteraka ny mahita fiatsarambelatsihy sy maheno tabataba lava. Misy ireo tanora matahotra ny hanambady noho ny fahitana fa toa "fatotra tsy azo vahana" ny fanambadiana, indrindra raha miferotr'aina tanteraka ireo ray aman-dreny isan'andro. Voa maika manimba toe-tsain'ny zanaka ihany koa ny fahafantarana fa "samy manana ny sipany any ivelany na i dada na i neny fa miray trano fotsiny sisa".
Tsy mora ny miaina olana ara-tokantrano, ary tsy azo ifanomezan-tsiny izany. Tsy misy olona avy ety ivelany afaka hitsara, na ray aman-dreny, na raiamandreny ara-panahy, na havana na namana. Ny mpivady ihany mantsy no tena mahalala ny zava-misy, ary tokony handray fanapahan-kevitra mifanaraka amin'izany.
Raha miroso amin'ny fisaraham-panambadiana dia tombontsoa ho an'ny tena aloha izany satria tsy voatery miaritra vono, latsa, fanambaniana, sns. Tsy adino ny fitandrovana ny tena tsy hiroso amin'ny fomba ratsy mahamenatra toy ny fandrahonana sy ny filalaovana ody ratsy. Rehefa milamina ny roa tonta dia afaka mitady vahaolana ny amin'ny fitaizana ny ankizy. Tsy azo ifanerena ny fitiavana ka na mbola tia aza ny ankilany tsy afaka hanery ny andaniny.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo