• Cours de change
  • 4727.61 AR
  • |
  • $4424.96 AR
Copyright Image : © Destination Santé
Image
Sexualité & Mariage

« Éjaculation précoce » : Torohevitra ampaharetana ny firaisana ara-nofo

08/01/2024 15:20 © Moov.Mg

Maro ny lehilahy manana olana « éjaculation précoce » na hoe mora tonga ny ranon’aina rehefa manao firaisana ara-nofo. Mety mahatonga tebiteby sy adin-tsaina izany toe-javatra izany. Mety hisy fiantraikany ratsy eo amin’ny fiainam-pitiavany ihany koa. Ireto ary misy torohevitra afaka manampy ny lehilahy mba ampaharetana ny firaisana ara-nofo.

Maro ireo antony mety mahatonga ny lehilahy hanao « éjaculation précoce ». Anisan’izany ny tebiteby, tsy fahatomombanana ara-pahasalamana… Azo heverina fa lesoka ihany koa ny mbola tsy fahazarana manao firaisana ara-nofo. Matetika mantsy dia ireo tanora kely vao nanambady no manana olana amin'ny fahatongavan'ny ranon'aina aloha loatra. Mila fahazarana (expériences) tokoa mantsy ny fitazomana ranon'aina.

Mianatra mifehy ny fomba fiaina (respiration)

Manampy betsaka amin’ny fifehezana ny fahatongavan’ny ranon’aina mandritra ny firaisana ara-nofo ny fomba fiaina na « respiration ». Rehefa manomboka taitra ny vatan’ny lehilahy dia lasa haingana kokoa sy miha mafy ny fomba fiaina. Mampitombo ny fiposaky ny rà ao anaty lalan-drà ary manafaingana ny fidoboky ny fo izany ka lasa mivoaka haingana ny ranon’aina. Mba hifehezana ny « respiration » dia mila miaina mafy amin’ny kibo. Izany hoe trohana tsara amin’ny orona ny rivotra ary avoaka miadana sy tanteraka amin’ny vava izany avy eo. Mila mizatra izany fomba fiaina izany matetika isan’andro ny lehilahy ary ampiharina mandritra ny firaisana ara-nofo mba ampaharitra ity farany.

Amafisina ny hozatra eo amin’ny « plancher pelvien »

Hozatra eo anelanelan’ny taovam-pananahana sy ny lavaky ny fitombenan’ny lehilahy ny hozatry ny « plancher pelvien ». Mandray anjara lehibe amin’ny fifehezana ny fivalanan-drano sy ny fivoahan’ny ranon’aina io karazana hozatra io. Mba ifehezana ny hozatry ny « plancher pelvien » dia mila hamafisina izy ireo. Misy ireo fanazaran-tena azo atao amin’ny andavanandro mba ahatongavana amin’izany toy ny fanaovana « exercices de Kegel ». Tsotra ny fanaovana ireto farany. Rehefa mivalan-drano dia ezahana tazomina mandritra ny 3 segondra izany avy eo alefa indray. Ezahana averimberina hatrany izany fanazaran-tena izany mandritra ny tontolo andro. Rehefa voafehy izany ary lasa mafy ilay hozatra dia ahavita mitazona ny ranon’aina ho ela kokoa vao mivoaka mandritra ny firaisana ara-nofo ilay lehilahy.

Miezaka mifampiresaka ny mpivady

Ilaina betsaka amin’ny fiainam-pananahan’ny mpivady ny fifampiresahana. Raha manana olana « éjaculation précoce » ny lehilahy dia tokony miresaka izany amin’ny vadiny. Anjaran’ity farany ny manohana sy miaraka mitady vahaolana aminy mba hampaharitra ny firaisana ara-nofo. Azo atao tsara ny manatsoaka ny filahiana rehefa mitady ho tonga ny ranon'aina.

Raha toa ka tsy mandaitra ireo torohevitra naroso ireo ka lasa manelingelina ny fiainam-pananahana eo amin’ny mpivady ny « éjaculation précoce » dia tsara raha manantona mpitsabo mba ahazoana ny vahaolana na ny fitsaboana mifanaraka amin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo