• Cours de change
  • 4630.16 AR
  • |
  • $4398.56 AR
Copyright Image : © Cuisine Az
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : Ireo fomba fampitomboana ny hery fiarovana

06/03/2023 10:43 © Moov.Mg

Mamely mafy ny sery, ny kohaka sy ny areti-kibo rehefa vanim-potoanan’ny orana sy ny hatsiaka. Ireo izay mareforefo ny hery fiarovana no tena lasibatry ny viriosy. Mila manana hery fiarovana matanjaka mba hiadiana amin’ireo karazana aretina manaraka vanim-potoana ireo. Ireto ary avy ny fomba fampitomboina hery fiarovana afaka atao.

Fampitomboana ny hery fiarovana : mihinana voankazo sy legioma betsaka

Ny voankazo sy legioma no anisan’ny sakafo mitahiry otrik’aina betsaka indrindra ilain’ny vatana. Ireny karazana otrik’aina ireny tokoa mantsy ny mamorina sy manamafy ny hery fiarovana. Mitahiry betsaka vitamine C ireo voankazo sy legioma miloko volomboasary toy ny karaoty sy ny voasary. Mety indrindra amin’ny olona seriserena ny fihinana azy ireny tsy andrahoina. Ahitana vitamine C sy magnesium ihany koa ny voankazo toy ny frezy, mananasy, akondro… Manampy betsaka amin’ny fampitomboina ny hery fiarovana ihany koa ireo legioma maitso rehetra noho izy ireo mitahiry fibres. Ezahina noho izany mihinana voankazo sy legioma maro loko isan’andro ho fampitomboana ny hery fiarovana.

Manao fanatanjahantena ho fampitomboana ny hery fiarovana

Mitondra tombotsoa maro ho an’ny fahasalaman’ny vatana sy ny ny saina ny fanaovana fanatanjahantena. Fomba iray fampitomboina ny hery fiarovana ihany koa izany. Tsy voatery hoe kotrana mafy be no atao. Ny fampietsehana ny vatana mandritra ny 30 minitra isan’andro dia efa ampy. Ny fandehanana tongotra, ny fiakarana tohatra, ny fiazakazahana… dia efa ampy. Mila mitandrina tsara mba tsy ho tafahoatra ny fanatanjahantena atao. Vao maika mampihena ny hery fiarovana indray raha toa ka reraka loatra.

Manao ampy torimaso sy maka aina tsara

Mampihena ny hery fiarovan’ny vatana ny arerahana. Ilaina noho izany ny manao ampy torimaso tsara isak’alina. Tsy tokony ho latsaky ny adiny 8 isan’andro ny torimaso ho an’ny tanora sy ny olon-dehibe. Atao mihoatra izay ny an’ny ankizy. Mila manokana fotoana atoriana izany raha toa ka avy niari-tory ny alina. Ilaina torak’izany ny maka aina. Na ny mpianatra na ny mpiasa dia tokony miala sasatra rehefa tonga ny faran’ny herinandro. Mila miato tokoa mantsy na ny saina na ny vatana mba tsy ampihena ny hery fiarovana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo