• Cours de change
  • 5072.07 AR
  • |
  • $4466.94 AR
Copyright Image : © Croq'Kilos
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ireo vokatsoa azo avy amin’ny vitamina E

19/11/2025 14:56 © Moov.Mg

Ny vitamina E dia « antioxydant » mahery izay miasa amin’ny fiarovana ny sela, fanatsarana ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo, fanohanana ny hery fiarovana ary fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Maro arak’izany ny vokatsoa ara-pahasalamana sy ara-batana azo avy amin’ny vitamina E. Araho eto ny santionany amin’izany.

Vokatsoan’ny vitamina E eo amin’ny fahasalamana ankapobeny

Vitamina iray isany tena ilain’ny vatana ny vitamina E. Mandray anjara amin’ny fitandrovana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny izy io. Anisan’ireo vokatsoa azo avy aminy ny :
-Fiarovana ireo sela amin’ireo « radicaux libres » sy ny « stress oxydatif ». Izany moa dia manampy amin’ny fampihenana ny « risques » hahavoan’ny aretin’ny fo sy ireo aretin’antitra sasany ;
-Fanohanana ny hery fiarovana ka manampy ny vatana amin’ny fiadiana amin’ireo otrikaretina samihafa ;
-Fikoloana ny fahasalaman’ny fo sy ny lalandrà. Manampy amin’ny fiarovana ireo « parois veineuses » ;
-Fitandrovana ny fahasalaman’ny maso.

Ireo vokatsoa ho an’ny hoditra sy ny volo

Ny vitamina E ihany koa dia mitondra vokatsoa samihafa eo amin’ny fahasalaman’ny hoditra sy ny volo :
-Miaro ny hoditra amin’ireo « radicaux libres » ary mandrisika ny famokarana « collagène » mba hiadiana amin’ny fahanteran’ny hoditra aloha loatra ;
-Manamafy ny « barrière » miaro ny hoditra ka mahatonga azy tsy ho mora andairan’ireo « agressions extérieures » ;
-Manampy amin’ny fanazavana ny lokon’ny hoditra ;
-Mandrisika ny fikorian’ny rà eo anivon’ny hodi-doha ka mampaniry kokoa ny volo ;
-Manampy amin’ny fanarenana ny « follicules pileux » simba.

Aiza no ahitana vitamina E ?

Ny vitamina E dia hita ao anatin’ny sakafo toy ny trondro, hena, vomanga, zavoka, atody, manga, tantely, menaka oliva, varimbazaha, voanjo, trondro, brocoli… Ho an’ireo manana olana amin’ny tsy fahampiana vitamine E dia misy ihany koa ireo fanampin-tsakafo na « compléments alimentaires » mitahiry azy io. Eny amin’ny farmasia no hividianana ireto farany ary mila fahazoana alalana sy torolalana avy amin’ny mpitsabo vao mihinana izany.

Lire la suite

Articles Similaires