• Cours de change
  • 5091.89 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Cookomix
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fanaovana « nems au poulet » matsiro

17/11/2025 16:27 © Moov.Mg

Tsakitsaky ankafizin’ny be sy ny maro ny « nems ». Saika ahitana azy ireny moa eny amin’ny mpivarotra hani-masaka rehetra eny. Hafa ihany nefa ny manamboatra ity nahandro ity ao an-trano. Maro ny fangaro azo hikarakarana azy, miankina amin’ny enti-manana sy ny tsiro tiana. Ny fomba fanaovana « nems au poulet » matsiro indray ary no zaraina eto.

Ireo zavatra ilaina raha hanao « nems au poulet » matsiro

-Nofon’akoho 550g ;
-Karaoty 1 ;
-Tongolo 1 ;
-Vermicelle 100g ;
-Galettes de riz ;
-Sauce soja mamy 2 sotrofihinanana ;
-Sauce d’huître 1 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Champignons noirs 60g ;
-Atody 1.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy

Atao anaty saladier ny vermicelles avy eo rarahana rano mafana. Avela hilona mandritra ny minitra vitsy. Atao toy izay ihany koa ny champignons noirs.
Voasana ny karaoty ary kikisana madinika kely. Petahana kely amin’ny papier absorbant mba hiala ny ranony mihoatra. Atao anaty saladier hafa.
Potehana anaty mixeur ny nofon’akoho na tetehana madinika kely.
Avela hitsiaka anaty passoire ireo vermicelles. Tsy avela hisy ranony ny akora rehetra ampiasaina fa mila mitsihika tsara daholo manjara mipoaka ireo « nems » rehefa endasina. Atsihika ihany koa ireo champignons avy eo tetehana, tsy atao manify loatra.
Arotsaka ao anatin’ilay saladier misy karaoty voakiky ny vermicelles sy ny champignons ary ny nofon’akoho voatoto. Tetehana madinika ny tongolo ary arotsaka ao amin’ireo fangaro. Alefa ao manarak’izay ny atody, sauce soja mamy, sauce huître ary ny sira sy dipoavatra. Aroharoana tsara hifangaro. Vonona ny farce.
Atsoboka mandritra ny segondra vitsy ao anaty rano matimaty ny galette de riz mba halemy. Velarina eo ambony lamba maina madio. Asiana farce 1 sotro fihinana eo amboniny avy eo ahorona ny galette de riz (toy ny fanaovana nem mahazatra). Rehefa voafono avokoa ireo « nems » dia hafanaina ny menaka anaty vilany saba.
Rehefa mamay tsara ny menaka dia endasina voalohany ny « nems », izany hoe atao « pré-cuit ». Tsy avela hifandona ny « nems » satria lasa miraikitra dia sarotra sarahana. Rehefa mihafotsy ny lokon’ny galettes de riz dia esorina ary avela hitsiaka ambony papier absorbant. Rehefa mangatsitsiaka dia averina endasina fanindroana hanamasahana azy. Rehefa mahazo loko ny « nems » dia vita.

Lire la suite

Articles Similaires