• Cours de change
  • 5097.01 AR
  • |
  • $4464.44 AR
Copyright Image : © Radiofrance
Image
Fahasalamana&Sakafo

Olona tsy ampy torimaso : Mety hihena hoazy ny atidoha !

17/11/2025 09:30 © Moov

Miantoka ny fiasan'ny vatana amin'ny ankapobeny ny atidoha. Tsy azo atao tsinontsinona izy io, na dia tsy taza-maso aza. Anisan'ny manimba atidoha ohatra ny tsy fahampian-torimaso sy ny rarintsaina (stress).

Voaporofo ara-tsiantifika fa "ny torimaso dia fiarovana ny atidoha". Araka ny valim-pikarohana nivoaka tao amin'ny "Scientific Archives" tamin'ny taona 2022, mihena hoazy ny atidoha rehefa tsy ampy ny torimaso. Mihinana ny tenany mantsy ilay atidoha, "Autopagie Neuronale", satria toy ny miantso vonjy hatrany na "mode SOS".

Inona no mitranga rehefa tsy ampy torimaso ?

Adiny 8 isan'alina ny torimaso ho an'ny olondehibe. Rehefa tsy hajaina io faharetan'ny fakan'aina io dia miakatra any amin'ny atidoha ny "stress" na rarintsaina ka manapotika ireo sela sarobidy.
Rehefa mbola terena hiasa ny vatana, ohatra hoe miasa na manao raharaha, nefa efa mahatsiaro te hatory, dia manomboka mamotika ny tenany ny atidoha. Mety hahatsapa aretin'andoha mafy ilay olona. Tsy voatery ho hita eo no ho eo ihany koa nefa ny fiantraikan'ny "Autophagie", saingy tsikaritra rehefa mandeha ny fotoana. Anisan'ireo tsy azo ihodivirana ohatra ny fihenan'ny fitadidiana sy ny tsy fahaizana mifantoka intsony. Mety hiafara hatramin'ny aretina Parkinson na Alzheimer mihitsy izany. Mazava hoazy, tsy vitan'ny atidoha intsony ny mifehy ny adintsaina sy ny mibaiko ny fihetseham-pon'ny olona.

Inona no atao mba hahitana tory tsara ?

Tsy vitsy ireo manana olana amin'ny torimaso : na dia efa eo am-pandriana aza dia mivandravandra fotsiny, ela be vao mahita tory na tafafoha maraina loatra.
Ireto misy torohevitra vitsivitsy mba hisitrahana torimaso mamy sady maharitra :
-Tsy ovaovaina ny ora hatoriana sy hifohazana
-Tsy mijery "écran" (finday, solosaina, TV) adiny iray mialoha ny ora fatoriana
-Amin'ny 4 ora hariva no misotro kafe na coca farany
-Mandro amin'ny rano mafana mialoha ny hatory
-Mihaino mozika malefaka hanadinoana ny adintsaina.

Lire la suite

Articles Similaires