• Cours de change
  • 5091.89 AR
  • |
  • $4465.79 AR
Copyright Image : © Passeportsanté
Image
Fahasalamana&Sakafo

Be loatra ny kalsioma anaty rà : ‘ndeha ho resahana ny « hypercalcémie »

17/11/2025 11:43 © Moov.Mg

Mitana anjara asa maro eo amin’ny vatana ny kalsioma : manamafy ny taolana, manatsara ny fiasan’ny fo sy hozatra, manatsara ny fifaneraseran’ireo « nerfs »… Efa tokony voarindran’ny vatana ny tahan’izy io. Raha lasa be loatra ny fatran’ny kalsioma anaty rà dia izay no atao hoe « hypercalcémie ». Inona no antony mety mahatonga ny « hypercalcémie » ? Ahoana ny fisehon’izany sy ny mety ho fiantraikany ?

Inona no atao hoe « hypercalcémie » ?

Ny « hypercalcémie » dia ny tahana kalsioma avo loatra ao anatin’ny rà. Mila hamarinina mialoha ny fisian’ny « hypercalcémie » mba hahafahana misoroka ny fahasarotana ara-pahasalamana mety ho atarek’izany. Ity karazana « affection » ity, etsy andaniny, dia mety hisy fifandraisany amin’ny tsy fahombiazan’ny taova iray na koa « tumeur maligne » izay mety hivoatra lasa homamiadana.
Ny olona rehetra dia mety ho tratry ny « hypercalcémie ». Ambony kokoa nefa ny « risques » mety hahavoa an’ireo olona manana olan’ny voa, mihinana fanafody misy vitamina D mandritra ny fotoana maharitra na koa marary misy « tumeur maligne ». Ankotra izay dia mety mitarika ity olana ara-pahasalamana ity ihany koa ny « hyperparathyroïde » na ny famokarana hormonina « parathyroïdes » be loatra.

Ny fivoarana sy ny mety fahasarotana ateraky ny « hypercalcémie »

Ny fivoarana sy ny fahasarotan’ny « hypercalcémie » dia mety mitarika tsy fahatomombanana lehibe eo amin’ny firafitry ny voa. Ankoatra izay moa dia mety ho avy amin’ny fisiana « tumeur maligne » izy io. Ny fahitana ity farany mialoha sy ny fandraisana an-tanana izany dia mety manampy amin’ny fanakanana ny fivoarany ho lasa homamiadana.

Ireo fambaran’ny « hypercalcémie »

Ny « hypercalcémie » latsaky ny 3.50 mmol/L dia fahita ary tsy dia misy soritr’aretina na tsy misy mihintsy izany.
Raha mihoatra ny 3.50 mmol/L kosa ny tahan’ny kalsioma anaty rà dia azo lazaina fa efa sarotra ny « hypercalcémie » ary ahitana soritr’aretina tsy ara-dalàna, toy ny hoe :
-Te hipipy matetika be ;
-Mangetaheta mafy ;
-Maloiloy sy mandoa ;
-Mitohana ;
-Reraka be ny vatana iray manontolo ;
-Misy fambarana fahaketrahana ;
-Rendremana sy tsy tongatonga saina ;
-Manaintaina ny taolana ;
-Misy « calculs rénaux ».

Ahoana ny fitsaboana ity olana ara-pahasalamana ity ?

Efa misy ireo fitsaboana amin’ny fanafody handraisana an-tanana ny « hypercalcémie ». Mila manantona mpitsabo avy hatrany raha toa ka mahatsikaritra ny iray na maro amin’ireo fambara voalaza ireo. Manampy betsaka hamerana ny fivoaran’ity aretina ity sy hisorohana ny olana ara-pahasalamana mety aterak’izany ny fitsaboana azy dieny am-boalohany.

Lire la suite

Articles Similaires