• Cours de change
  • 5187.29 AR
  • |
  • $4512.7 AR
Copyright Image : © Rtl Info
Image
Fahasalamana&Sakafo

« Boutons de stress » na mony avy amin’ny rarintsaina : ‘ndeha ho resahana !

07/10/2025 15:05 © Moov.Mg

Rehefa tratry ny rarintsaina maharitra na rehefa miady saina mafy ny olona iray dia mety lasa hisy « boutons de stress », na mony avy amin’ny rarintsaina, mipoitra eo amin’ny tarehy na ny vatana. Ahoana ny fomba fisehon’ny mony avy amin’ny rarintsaina ? Inona no atao hanesorana azy ireny ? Araho eto ary ireo tsara fantatra mikasika ny « boutons de stress ».

Inona no atao hoe « boutons de stress » ?

Azo faritana ho « réaction » eo amin’ny hoditra miseho vokatry ny rarintsaina ny « boutons de stress » ka mampivoaka mony betsaka tampoka eo amin’ny tarehy na ny vatana. Maro moa ireo anton-javatra mety mitarika rarintsaina eo amin’ny fiainana andavanandro ka mampirongatra ireo mony avy amin’ny rarintsaina. Anisan’izany ohatra ny olana ara-bola, ny tebiteby, olana amin’ny fifandraisana amin’ny hafa na ny tokantrano, ny asa be loatra… Ny « crise de boutons de stress » dia mety miendrika mony, « urticaire », « psoriasis », « eczéma » na koa fanaviana (bouton de fièvre).

Inona no mahatonga ny rarintsaina hampisy mony ?

Ny rarintsaina dia mitarika « réaction physiologique » eo amin’ny vatana. Lasa mitombo ny famokarana hormonina ka lasa mahatonga fikorontanan’ny tsiry mpanentana sy « état inflammatoire ». Ireto farany no mampisy « boutons de stress » eo amin’ny tarehy sy ny vatana. Mitombo ihany koa ny famokarana « sébum » ka vao maika mampirongatra ny mony efa misy. Ny « état inflammatoire » ateraky ny rarintsaina moa etsy andaniny mamparefo ny hery fiarovana ary mandrisika ny fipoitran’ny fanaviana (bouton de fièvre) na ny « urticaire ».

Ahoana ny hamantarana ny karazana « boutons de stress » ?

Miankina amin’ny antony mahatonga azy ny fomba hamantarana ireo karazana « boutons de stress ». Anisan’ireo fahita ny :
-Bontsibontsina kely menamena maromaro sy marokoroko rehefa tsapaina ;
-Mony miloko fotsy na mena, « points noirs », « kystes » ao ambanin’ny hoditra ;
-« Plaques d’eczéma » izay mangidihidy be ;
-Fanaviana na « bouton d’herpès » ;
-« Urticaire » ;
-« Psoriasis » izay miendrika toy ny angadrano fotsy eo amin’ny hoditra izay sady mivaremana no mangidihidy. Eo amin’ny sandry, kiho, lohalika, ambanin’ny lamosina na ny hodi-doha matetika no misy azy io.

Ahoana no fomba natoraly hanesorana azy ireny ?

Misy torohevitra roa miaraka atao mba hanesorana amin’ny fomba natoraly ny mony avy amin’ny rarintsaina. Ny voalohany dia ny fampitoniana sy ny fanadiovana ny hoditra. Ny faharoa kosa dia ny fandaminana ny saina sy ny fihetseham-po amin’ny alalan’ny fianarana mifehy ny rarintsaina. Raha tsy mety misinda na mirongatra be « boutons de stress » dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo manokana ny hoditra na « dermatologue » mba hahazo ny fitsaboana sahaza.

Lire la suite

Articles Similaires