Za aloha rizareo dia efa nisedra fakam-panahy maro be ihany fa ilay iray izay ihany no naharoboka. Ny asako t@ izany nifanerasera @ client, olona be vola, manana ny orinasany manokana, chef d'entreprise na farafaharatsiny responsables financiers @ entreprise daholo no nifandraisako. Tsy vitsy ireo no manao compliments tafahoatra, manao fijery toa miangavy, mitsotra mihitsy hoe marina fa afaka atao an-telephone ny resatsika fa hafa ihany ilay face à face sady mahita ny hatsaran-tarehinao. Ilay sipako moa nahavatra nandefa SMS isak'izay avy mihaona amiko t@ voalohany fa nony tena niaraka vao mifandimby ny antso sy ny sms. Tsy ambanin'izany ny mpiara-miasa izay marihana fa 80% n'ny lehilahy mpiara-miasa nifandray tamiko tsy nisy tsy nikôty. Soa fa ny lehibe-ko rehetra dia na lehilahy efa lehibe tsy @ izany fikôtiana sipa izany intsony, na vehivavy mitovitovy taona na zandriko aza ny sasany. Ny anankiray @ sefoko vehivavy ireo aza naman'ny vadiko saingy olona miodina ihany koa. Tsy olona tsara tarehy akory anefa aho fa olona tsotsotra tsy dia tia maquillage saingy tsy manao ambanin-javatra ny fitafiana entiko mivoaka ny trano fotsiny.
raha ny tenin'i Ra-Vay sy nareo mamaly eto izany impossible ny divorce pour adultere satria sarotra ny hanaporofoana azy ? moa any Madagasikara tsy mbola ara-dalana ny asan'ny detective.
pati: hein!!! mitady haditra an
Ny ahy indray tsy dia tena hoe diso fanantenana. Effectivement ny fanambadiana dia fialana @ zone de confort nitaizana anao ho any @ zone de confort izay tokony efa nomaninareo nandritra ny fotoana fifampizahan-toetra (fotoana naha-mpisipa) raha nanana an'izay fotoana izay ny couple.
Nahalala couple koa anefa aho vao niaraka 1 semaine dia nanomana mariage. Saika tsy nino ny namana sy ny havana fa dia notanterahiny tokoa ary dia nateza tokoa ny tokantranony. 5 ny zanany ary hita ety ivelany hoe milamina ihany ilay tokantranony.
Marina koa anefa hoe misy ny olona mahay manafina ny toetra ratsiny fa nitetika fotsiny ny hahazo ilay ankilany ho vady (par intérêt ???) fa nony tafiditra vao tonga saina hoe tsy ho tafa ity fa toa hafa ny notazaniko avy any ivelany fa nony tafiditra dia hafa ny zava-misy. Eo vao tonga @ hiran'i Eagles hoe "You can check out anytime you like but you can never leave"
Ny niainako dia mi-découvrir défi rehefa ao anaty tokantrano. Ahoana ny fomba fiadiana hevitra @ io vadinao io ? ahoana ny fomba fijeriny ny havanao ? ahoana ny susceptibilité-ny rehefa misy havany toheriao sns... dia ianao koa mieritreritra hoe ahoana raha mifamadika indray ny toeranareo arakaraka ny situation misy.
Tsy évident ireo saingy ireo no raisinao ho défi. Raha maka re******* kely ianao dia ho hitanao fa misy azo raisina positif foana izany, mety hanova ny fomba fijerinao io nefa mety hanova ny toetranao ratsy koa ary mety hanova ny toetra tsaranao ho ratsy ihany koa. Tout est possible.
Ny tena important indrindra dia ilay fanafatry ny vavolombelona sy ny mpitondra fivavahana nanamasina ny fanambadianareo: Fifandeferana izay samy hafa be @ hoe fandeferana ka tsy maintsy hisy ny mandefitra ary hisy ny tsy mandefitra mihitsy.
Rehefa hay hatrany am-boalohany ireo dia hay foana ny mandamina izay olana, eny hatr@ izay karazan-javatra be dia be mety haharava ny tokantrano aza mety hanamafy orina ny fifankatiavana rehefa mahay mi-gerer an'io fifandeferana io
Resaka promotion canapé indray tsy dia aty amiko io satria fitiavana tsy mila takalony. Na dia tao @ asako aza no nifandraisako voalohany t@ sipako, ts izy irery no niketrika hiaraka tamiko fa maro be, mpiara-miasa, client, sefo fa tsy nety tamiko ny hafa, na ilay niarahako t2 sipako aza moa efa tsy mety raha fijery tsy mitanila.
Nisy vazaha izay manana complexe hotelier any @ toeram-pizahantany iray izay t@ izany nanasa ahy ho avy seule na en famille any fa hiantohany ny fivahinianako (trano, sakafo, fivezivezena any an-toerana) fa izaho kosa no miantoka ny fandehanako avy ao Tana hatrany an-toerana. Noresahako t@ vadiko io dia tsy sarotiny ny vadiko fa nokendrana ho @ vacances dia entina ny ankizy. Au dernier moment tsy afaka ny vadiko nfa dia izaho sy ny ankizy no nandeha. Ny chauffeur sy fiara no nitsena anay teny am-pahatongavana ary io chauffeur io afaka antsoinay 24h/24 saingy tsy tao @ ilay hotel an'ilay vazaha izahay no napetrany fa t@ hotel-na vazaha hafa n******* ary efa nahazo consigne daholo ny receptionniste sy ny olona rehetra ao @ io hotel io hoe invités de marque an'i Mr (Vazaha) izahay.
Ny ampitso marainan'ny nahatongavanay dia niantso an-telephone an'ilay chauffeur ilay vazaha nanontany mikasika anay. Nilaza taminy ilay chauffeur fa izaho sy ny ankizy no tonga tany fa tsy tonga ny vadiko. T@ fotoana tsy naha-teo akaikinay an'ilay chauffeur io niantsoany io fa nanafatra fotsiny izy hoe rehefa afaka aho dia afaka miantso azy a n'importe quelle heure.
Saika adinoko moa ny niantso azy ka efa alina vers 20h30 aho vao tafaantso. No-proposer-ny hoe halefany aty amiko ilay chauffeur haka anay. Raha niteny aho hoe efa any am-pandriana ny ankizy fa vizaky ny journée fa aleo @ manaraka. Ni-insiste @ zay ny anao lahy fa tsy olana hono fa en sécurité ny ankizy fa tongava foana io alina io. Nanda hatr@ farany aho satria sarotra ho ahy ny handao ny zanako, moa azoko antsaina ny hafaliany vao noteneniko hoe efa any am-pandriana ny ankizy, niampy ny tsy fitiavako vazaha. farany noteneniko izy hoe aleo rahampitso izahay mandalo ao aminao. Dia tonga tany izahay sy ny ankizy dia olona tsy dia faly no nandray anay saingy nomeny sakafo atoandro tao @ restaurant an'ilay hotel-ny izahay.
Raha tena materialiste aho na tia manao RS fotsiny dia afaka nataoko ny nankany aminy iny alina iny na hangata-bola aza angamba mbola nomreny ary izany tranga izany dia mbola tao anaty fotoana fohy taorianan'ny nisarahako t@ ilay sipako.
Ny nahagaga ahy anefa raha vao niteny t@ vadiko aho taty aoriana hoe nanao sipa dia tsy io vazaha io mihitsy no tao an-dohany hoe niaraka tamiko fa ilay bandy tena sipako satria une fois t@ vao nikoty ahy ilay sipako no nasehoko ny vadiko ny sms-ny juste nilazako hoe misy lehilahy adalam-body mihitsy ny client-nay fa jereo ny message alefany. Ilay vadiko moa tsy dia sarotiny @ izany resaka SMS sns izany dia nimehezany fotsiny t@ izay fa raha vao niteny aho hoe efa nanao sipa dia avy izy dia niteny hoe ilay bandy nandefa sms taminao indray mandeha iny no niaraka taminao ?..
Fehin'ny teniko dia izao: Tsy ara-nofo fotsiny izy io fa raha izany no izy efa nanao marobe aho satria maro ny bandy BG sy manan-katao mikôty fa tena rehefa tsy misy ny ny alchimie araka ny fiteny azy dia tsy miainga izany io eh.
Ho an'i Anonyme 27/09/2019 10:11
Tsy dia mino loatra aho hoe niainga t@ fiainan-tokantrano ny faharavan'ny firenena.
Ny firenena resaka fisainana sy politika fa ny tokantrano eo @ olon-droa. Mipetraka aty @ firenena tena mandroso be aho izao (ao anatin'ny G20) ary 21%-n'ny mponina eto @ ity firenena ity no monina eto @ faritany misy ahy. Eto no misy ny taux de séparation be indrindra ary ambany indrindra ny isan'ny olona manambady (2.7 pour 1000 ny taux de mariage @ couple t@ 2018 raha tafiakatra 10 pour 1000 tany @ taona 1940). Ataoko hoe séparation fa tsy divorce satria aleon-dry zareo miaraka fotsiny tsy misy engagement dia misaraka rehefa tsy mifanaraka ary ny ankabeazany, na lahy na vavy dia resaka tsy fitoviam-pijery @ zavatra mety heverintsika fa kely no mampisaraka sy mahatonga fampirafesana. Ary ny resaka infidélité dia tompony daholo na lahy na vavy aty (soa za fa tsy tia vahiny fa aleo gasy mitovy amiko ihany ;-)).
Ny fireneny anefa mandroso satria misaraka tanteraka ny resaka fihariana sy ny fitiavana. Na olona faran'izay infidele be aza dia mitady vola hivelomany dia mandroso ny firenena, manampy izany koa ny valeur itaizana ny olona @ fitantanana (tsy misy idirany @ izay fifandraisan'ny mpivady) dia izay ihany.
Aoka tsy hotakonana @ fampirafesana ny tsy incompétence-n'ny mpitondra malagasy isan'ambaratongany.
anonyme 18/09/2019 08:16 : Voalazanao. Tsy ny rehetra no mahavita an'io ataony io.
Tranga iray efa hitan'ny masoko kosa izahay tao am-piasana taloha misakafo atoandro @ gargotte iray tsy lavitra hotel malaza be fandehanana couples illegaux eto Antananarivo. Nisy olona 3 teo @ latabatra iray akaikin'ny latabatray mifampisafosafo sy mifanorokoroka eo ilay lehilahy sy vehivavy ary ilay fahatelo (lehilahy) mbola mijery fotsiny aloha. Nony nivoaka avy tao izahay dia nahatazana anazy 3 niara-niditra tao @ ilay hotel dia lasa ny saina hoe iza amin'izy 2 lahy no tena tompony sa samy tsy tompony fa sipa mpivarotra fitombenana kanefa koa tsy mino aho hoe mpivarotra fitombenana no horokorohany toy ny mpisipa vao niaraka ireny.
Dia lasa sujet de discussion na supposition rizareo hoe hihinana pao-droa izany ilay sipa ve sa hijanona ho mpitazana hatr@ farany ilay iray efa nitazana tao anaty gargotte ?
raha itony tantara itony no raisina ohatra dia mety ho tompony ilay iray mitazatazana fa ilay misafosafo sy manorokoroka ilay olona indramina hanome fahafinaretana an'ilay sipa sy ilay tompom-bady
Ny ahy aloha dia izao eh: Nataoko ilay izy (fampirafesana) nankafiziko na dia teo aza ny tahotra. Najanoko nony tonga ny fotoana tokony hanajanonana azy satria hitako nitady hioatra ny mety.
Je l'ai fait, je l'assume et je l'ai avoué nony efa tsy niaraka t@ ilay sipako intsony na dia mety handrava zavatra betsaka aza ny fahafantaran'ny vadiko an'izany.
Zavatra 2 no hitako vokany:
Izany rehetra izany dia antony mbola nampijoro ny tokantranonay hatr@ izao tsy voahozongozon'ilay resaka ara-nofo fotsiny na dia efa saika lasa lavitra tokoa aza satria tena nisy tokoa ny fotoana toa tsy nampaninona na tsy nisy aza ny RS tao an-trano fa toa feno tany ivelany. Hatreto dia tena tsiambaratelonay mivady aza io tranga io satria lamba malotonay izany.
Averiko hatrany, tsy miaro ny mampirafy aho sanatria fa miteny hoe mila vonona @ izay vokany ny tsirairay raha mivoaka eny @ fiaraha-monina ilay tranga toy ilay solombavam-bahoaka vavy iny sy ny hafa, raha latsapaka be ny fitiavanao ilay sipanao kanefa hita hoe fitiavana tsy ho marim-pototra mihitsy. Izay mety ho vokany izay no nanosika ahy hanajanona ilay fiarahana ary nibaboka t@ vadiko fa tsy misy resaka hoe fierté na hoe famporisihana ny taranaka ho ratsy akory.
Aoka tsy ho borné foana isika. Araka ny tenin'ny mpanao publication, tsy natao hifanenjehana fa hamantarana hoe inona marina ny antony sy ny mikasika izany
rahazahenao >> Tsy voatery ho tonga @ izay foana koa ny eritreritra an.
Raha manazava ilay antony aho tsy midika akory fa tsy diso ireo mampirafy. Inoako fa 100%-ntsika manoratra eto dia manaiky fa tsy mety ilay izy. Tsy fierté koa anefa fa fanazavana ny hoe tombony azon'ireo izay manao na nanao izany. Izaho izao, raha ny fitaizana azoko tany @ fianakaviako dia resaka tabou be izany sexualité izany ka na efa nanomboka nanao sipa sy nanao RS aza aho tsy mba sahy ni-confier ny vie sexuelle-ko t@ ray aman-dreniko, eny fa na dia ny iraitam-po akaiky ahy indrindra aza satria toa zavatra tsy firesaka izany. Ny vadiko koa toy izany tany aminy tany. Izy aza nilaza fa teny @ Cité Universitaire no ni-découvrir izany sexualité izany voalohany ary t@ revy nandalo indray alina fotsiny hono. Avy eo dia izaho no olona faharoa nanaovany RS. Marina fa tokony entre anay izany no niresaka saingy samy matahotra hoe sao hanana réaction hafahafa ity dia samy nangina tany. Moa izy efa sendra ilay tsy nahazo taty amiko indray alina dia natahotra ary izaho koa jamais manao premier pas noho ny fahatahorana hoe sao lazainy fa petasse na toy izany. Vokany, rehefa tafahoatra ilay besoin d'equilibre, niraviravy ny paoma tao an-tsaha dia lasa i eva nanaiky ny fitak'ilay menarana.