image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Salut e, nankaiza ilay resabe fa voafafa? Ity misy groupe e! Voil… quoi, ce qui va nous faire du b‚n‚fice dans le futur. Y a moi, Bruce et Shinato + d'autres moins connus pour le moment! 15 membres actuellement fa je vous invite hoe hiditra ao. Ciao les gens.


Klodeen Rahz Aa‹ Mah Moon JuhMamoka bd isam-bolana zany bd kitoatoa zany.Aleo lavitra ny ahy bd tena raitra na ny foniny na ny atiny, ary bd azo tehirizina fa tsy hamonosana mofo gasy.Izao ireo bd taloha ireny efa hadinon'ny pokona satria bd mora rovitra sy atsipitsipy etsy sy eroa.Aiza daholo izao ireny bd taloha ireny nivoaka isam-bolana ireny??? Tsy hita intsony.Aleo bd raitra azo tehirizina.Iza izany ranamana lazainareo izany???? Mba teneno raha fantatrareo ny anarany hoe jerena ?


betsaka ireo nametraka ny tantaran'ny bd teto fa nijanona teto an-toerana ihany ny akamaroany, fa ny nitarika t@ fidirana @ sehatra iraisam-pirenana dia ireo olona voatonona anarana ireo.Ary tonga dia zavatra momba tantaran'ny firenena malagasy t@ faha mpanjaka no navoakan-dry zareo tany ivelany, ka nahazohana fahombiazana avy hatrany. Ka nahatonga ny hafa taty aorina koa nikaro-kevitra ny hamoka any ivelany koa. Ary nahatonga ny famatsiam-bola frantsay nanokana mihitsy vola nanaovana hetsika festival teto ary mbola mitohy hatramin'izao. Ary raha mamatsy vola ny frantsay dia tonga dia ny loha hevitra tonga dia apetrany dia bd contemporaine, resaka manga moderna superheros, fa izay manao resaka tantara t@ andron'ny mpanjaka dia tonga dia voailika avy hatranY. Izany ny marina eto. ka tsy dia gaga loatra aho raha bd manga sy super heros no mameno ilay gasy bulle io efa ho taona maro izao, ary io tsy hiova mihitsy fa izay foana no hiseo eo.Ka noho izany ny fahombiazana tena mahomby dia ny fanaovana bd momba an'i Madagasikara indrindra ny faha mpanjaka io. Fantatray fa ny editera vahiny dia tsy hamoaka bd momba an'i tantaran'i Afrika sy Madagasikara talohan'ny fanjanahan-tany satria manohitohina ny tombotsoany, sao mifoha koa ny ambo-po maha afrikanina ka mirongatra eo ny fitiavana tanidrazana marina eo @ ireo afrikanina sy gasy, ka ho sahirana eo ry zareo @ tombotsoany eto afrikana. Fa ny tokony atao dia ny gasy ihany no manao ny edition, tsy miandry izany editera vazaha izany fa ny gasy ihany no manao azy.Iza anefa no sahy hiditra an'izany, satria ireo editera gasy koa dia voafatotra koa satria ny vazaha no mamatsy vola an-dry zareo , ka voagadra koa tsy mahazo mamaoka bd momba an'i faha mpanjaka koa , ka sao tsy mahazo famatsiam-bola eo. raha mamaoka izy ireo dia mety tome 1 na resaka kisaritsary ary tsy aparitany akory iraisam-pireena.izany ny politikan'ny edition vazaha.Raha vao manohitohina ny tombotsoan-dry zareo dia ferany ny fanampariana azy.Ary raha mamaoka ary ry zareo koa dia izy vazaha ihany no manao ny tantara sy sary, ary ataony mikatraka ny tombotsoany no zarainy @ mpamaky @ lainga isan-karazany. Vao tsy ela izao nisy bd an'ilay bd tantaram-pirenena any congo, ny titre dia hoe Katanga, navoakan'i Gl‚nat, ka ilay mpanao tantara malaza sylvain val‚e ary sc‚nario n'i Fabien Nury, fa feno diso ny tantara nataon-dry zareo tao, fanaratsiana fotsiny ny mpitarika malaza congolais t@ izany. Nefa olomanga congolais taloha ilay naratsiana ary to teny.Izany ny vazaha raha hanao bd momba an'i Afrika.Ny azy tombotsoany ihany, ary mandainga mba hiarovany ny tombotsoany.Tsy misy afa-tsy ny gasy ihany no mamoaka azy fa raha tsy izany aza manonofy eo hoe ahita edition vazaha eo.tsy dia mahagaga ahy loatra na nolavin'ily editera ao la r‚union ny projet an'ilay mpanao bd gasy Mamy Raharolahy, satria ileio dia ny azy resaka kolontsaina gasy sy tantara-pirenena faha mpanjaka mihitsy ny sp‚cialit‚ any, ka tsy azo avoaka aparitaka irasam-pirenena ny bd ohatran'izany @ dry zareo. Raha famatsiam-bola sinoa angamba mety misy irika ihany angamba, nefa ny bd sinoa aza ny frantsay no mamaoka azy eo @ sehatra iraisam-pirena koa.


Fararano gazety namoaka koa taloha bd momba an'i Ralambo nataon'i Harilay Ramanana, fa teo @ lafin'ny document no tsy dia nahavoa loatra na ny sary aza mbola tsy dia voafehy tsara ny tena sary lafatra, ary miloko ilay bd. Kanefa efa nanomboka namaoka bd ho an'i taranaka malagasy t@ andron'ny mpanjaka izy mba hampahafantarana ny tantaran-jazany.Zava-dehibe tokoa izay.Ny bd gasy nivoaka voalohany koa dia sary nataon'i Jean Ramamonjisoa ary sc‚nario an'i Revend rahajarizafy t@ Octobre 1961 tany ho any mitondra ny loha teny hoe Ombalahibemaso izay surnom an'i Andrinampoinimerina..Araka ny hitako ta@ interview an'ilay mpanao sary didier randriamantena tao @ site Hetsika dia havany avy @ m******* ilay nanao sary n'i Ombalahibemaso. Izy rahateo moa namoaka version hafa momba ny tantaran'i Andrinampoinimerina 40 taona taorinan'ny nivoahan'ilay Ombalahibemaso.Raha namaky ilay Ombalahibemaso ny tenanay dia mahafehy tsara ny lafin'ny ara-tsary tokoa ilay mpanao sary fa teo @ lafin'ny documents dia tsy ampy ary feno diso aza, Tsy dia ampy doc loatra io bd io , kanefa zava-dehibe tokoa ny fivoahanany t@ fahampahafantarana ny taranaka taty aoriana fa manadanja ny tantaram-pirenena malagasy. Ohatra iray hoe diso, ilay sarin'i Andrinampoinimerina naparitaka fantatr'olona iny dia diso fa ny marina dia Andrinamampoinimerina dia nisatroka tsihy, toa an-dry zareo avy any atsimo ankehitriny, ary miravala volamena ny tongony sy ny tanany, ary mitafy lamba izy. Ary mitafy akanjo toa an-dry zareo romana taloha izy fa tsy misalaka ohatran'iny hita @ tableau iny.Misy sary tena izy momba an'i Andrianampoinimerina efa miparitaka @ facebook any


Tena sarotra ny ahitana ny tena doc marina hoan'ny mpanao BD historique gasy.Andriampoinimerina no resahina hoe tsy sariny iny miparitaka any iny fa sary noforinina satria tamin'ny androny mbola tsy nisy mpaka sary na mpanao hosodoko.Ny vazaha mpanjanan-tany no nanana eritreritra niantso mpanao hosodoko mba hamorona ny sarin'Andriampoinimerina ary mpiady avy tany @ faritra atsinanana no nalaina natao modely.Tamin'ny Tonga teto ny mpanjanaka dia ny sarin'Andriampoinimerina ihany no tsy nananan'izy ireo ka nahatonga azy ireo namorona.Nefa tsy ny sarin'Andrianampoinimerina ihany no diso fa ny an-dRanavalona reniny koa.Tsy sarin-dRanavalona izany iny sary fantantsika iny. Amin'ny maha lozabe an'io mpanjaka vavy io dia tsy nanaiky nalaina sary na natao hosodoko izy tamin'ny fahavelomany.Olon-kafa mihitsy iny natao sary iny ary mbola ny vazaha ihany no tompon-kevitra tamin'izany.Misy hiteny koa izao any hoe na ny an-Radama rainy koa anie ka diso e.Misy mahasamihafa azy kosa ny an-dRadama voalohany.Tena izy iny.Ny tarehiny dia tena Radama fa ny fitafy kosa dia noforonina.Efa nandalovan'ny photoshop ny sary tamin'izany andro izany hoy ireo be vazivazy.


Hoy BD milay "..... Tsy sarin-dRanavalona izany iny sary fantantsika iny. Amin'ny maha lozabe an'io mpanjaka vavy io ...."Lozabe be ve izany io mpanjaka vavy io niaro ny fiandrinam-pirenena gasy t@ izany. Nahiratra tokoa Ramatoa mpanjaka fa tsindrony mialoha fa ny haka fanjakana no tetik'ireto vazaha ireto @ alalan'ny fivavahana kristianina. Inona tokoa fa dia marina ny eritreriny, fa taorinan'ny nadroahan'i Ranavalona voalohany an'ireo misionera dia nanafika indroa an'i Madagasikara ny frantsay tany @ fairit'i Toamasina t@ fotoana nanjakany fa tsy naharesy tosika ny tafika malagasy t@ izany.efa tafiditra lalina ao anatin'ny fiaraha-monina malagasy izao ilay fivavahana Kristianina, ka asa na mandroso ity Madagasikara @ izao fotoana na ahoana, na eo @ lafin'ny fitondra-tena isan'ambaratonga io na ekonomika na toe-tsaina dia potika tanteraka nony tafiditra ilay fivavahana Kristianina.Ka aok'etsy ity manaratsy hoe mpanjaka lozabe ity Ranavalona voalohany ity an!


Aiza daholo ny olo tety, vao miresaka matotra sy mahasoa dia tsy hita ry zareo.Mipetraka aty frantsa ny tenako, fa tsy hitako any @ librairies, gde surface sy fnac ilay bd chapeau noir nalaza be teto. Mi commande @ internet ihany no atao.Izaho aty Boulogne no mipetraka ary vao avy nanao vacances tany Nice sy Lyon fa naiky hividy ilay bd io fa tsy misy mahalala an'ilay bd akory.


Ilay sc‚nariste Nary nilaza t@ facebook fa hita @ librairies rehetra hono ilay chapeau noir. Izaho koa nitady fa tsy nahita tany rehetra tany fa soa ihany fa afaka ni komady t@ internet.Dia efa manana aho izao. Ho an'ny olo-dehibe io bd io fa sao dia mividy kad“ ho an'ny ankizy fa hampiana-dratsy ny ankizy eo an. Ny olana @ io bd io dia mitohitohy ilay izy, mila miandry ny tohiny ka mety ho sarotra ihany ny maha lafo an'io bd io raha ny fomba fijeriko. Hevitro iny aloha fa tsy haiko ny an'ny hafa.


Ny ahy ilay tangala no hitako tsara. Sady misy librairies vitsivitsy mivarotra azy.Toa mietsiketsika be mantsy ilay sc‚nariste an'izy io eto frantsa.Za zao miandry ny fivoahan'ilay T2.Hitako tsara be ny fonin'ilay izy hitako any.Ilay even tome roa tirage de luxe koa tsara be.Ary ny ahy aleoko ilay noir et blanc no tena hitako tena lafatra.Novidiako na dia lafo aza, Ary miandry ny fivoahan'ilay t3 koa ny aty.Hitako tena matotra be mantsy ny extraits hitako any na dia mbola vita crayon aza.Ny ahy ny bd tena tiako dia miresaka histoire,izay no nividianako ireo bd roa ireo.Efa ananako koa iretsy bd momba histoire an'i Madagasakara resahanareo ery aloha ireo.Ilaina ny mahalala ny histoire ahafana mahalala ny marina tany aloha tany ka hanaovana ny conclusion sy recoupement momba ny firenena eran-tany ankehitrio


f'angaha lasa manao bd mamoafady koa ny gasy??? Io chapeau noir io zany no bd voalohany mivoaka any ivelany misy resaka sexe raha izany.