Izaho dia lehilahy ary ireto no mahazo ahy :
- raha vao misy fiteny na fihetsika kely tsy araka ny saiko dia tonga aho dia tezitira be amin'ny vadiko ary indraindray aza toa lasa romotra be mitsy.
- rehefa miantso azy aho ka za mba mi charme miantso azy nefa izy mamaly sec be genre "ahoana" na oe "f'ahoana" dia tezitra be indray aho ary lasa romotra be mitsy dia avy hatrany dia tapahiko ny tél.
Ny zavatra tsapako dia otran oe tsy dia attentionné amiko intsony ny vadiko amin'ny fomba fiteny sy firesaka satria hafa mitsy ny firesany amiko sy amin'ny havany na ny namany ! inona no azoko atao mba tsy hijereko sy handinihako an'izay fomba firesany amiko izay intsony ka tsy hanaovako comparaison amin'ny olona hafa mifanersara aminy fa tsapako otran hoe hanimba ahy ilay izy ? misaotra ho an'izay manome hevitra !