Salama daholo, lehilahy izaho, manana olon-tiana miaraka amiko.- Manana namana betsaka aho, misy fotoana izaho mba mitaraina kely, otran'ny oloha rehetra ihany, rehefa mba misedra olana kely amin'ny fiainam-pitiavako.Fa ny fandraisan'ny ankamaroan'ny namako tonga d oe: "vehivavy hafa iarahana", "présenteko sipa hafa ialahy",... etc- Nefa ny fitarainako tsy d mankaiza fa mbola tsy betsaka noho ny an'ny hafa aza, ny sasany mampirafy ny fiancée-ny, sarahan'ny io farany io fa mamo sy maditra lava, d izy indray no itady hi-proposé sipa hafa ho ahy.- Ny sasany otran zay koa, mampirafy ny sipany, vakiana daholo ny sipa eran'ny tanana. Izaho milamina amin'ny fiainam-pitiavako indray no proposena karazana sipa atsy sy aroa. Manome lesona sy resa be sy exemple... etcManontany tena ihany miezaka mandresy lahatra tena hoe, ireny olona ireny ve tena namana? te hanampy aho amin'ny izay takatry ny sainy sa ahoana?- Farany, rehefa izaho no manda ny sipa akaman'ireo satria efa misy miaraka amiko, mo koa za tsy te hampirafy, d za indray no otran'ny hoe malalay fonosana, mampijaly ny namany akaiky. Nefa ny sipako mbola esoina koa amin'izany, d gaga fotsiny ny tena hoe, te hanampy ve reto sa fitiavan-tena?