Vehivavy no manoratra, manambady aman-janaka. Somary nanana olana tao antokatrano, nanambady jombilo (pfff). Niaritra nandrity ny 10taona fa leo ihany ny farany. amin'izao fotoana dia niaraka amin'ny olona aho (amant). tsy mbola manambady izy (dans la cinquantaine), miasa, mipetra-drery. Tsy misy resaka divorce ho ahy na hoe hivady izahay sns fa juste miaraka fotsiny.Fanalŕko ny sorisoriko, firesahako ny manahirana ahy izy, famenoako ny banga ato amiko zany raha tsotsorina. compréhensif be izy ary azahoako teny mamy isan'andro.mifanohitra tanteraka amin'ny vadiko (mpila vaniny, kamolahy, tsy manana galanterie mihintsy ary mpandainga enjana be). Efa ela moa no very tanteraka ny fahatokisako azy, ka na hitako zao aza fiezahany manao zavatra dia tsy mety manaiky mihintsy ny saiko hoe tena hiova tanteraka izy, moa ny zava-miseho rehetra koa dia mbola tsy mampiseho fiovana eo aminy mihintsy.mametra-panontaniana ihany aho indraindray hoe hatramin'ny rahoviana ny fiarahako amin'ilay amant-ko, tiako izy, izay fitiavany ahy tsy haiko loatra ny mamaritra azy hatreto fa raisiko fotsiny oe zarany aza misy vehivavy miaraka aminy analŕny ny fahanginany (mdr). tsy foiko izy nefa fantatro fa tsy mety ilay fiarahanay.conseils, na tora-bato tsy olana ze omenareo hisaorako avokoa