zany kou ve dia maninona, dia gaga enao
zany kou ve dia maninona, dia gaga enao
Manahirana raha sendra ny reny hotran izay. Nefa ny tena tsy afaka ny anary azy satria iny no nahita masoandro. Ny hevitro aloha de maninona raha manao carte sur table amin ilay reninao. Teneno tsotra izy mba tsy hiditra amin ny fiainanareo mivady. Raha mitohy mantsy io de sűre aho fa tsy maintsy ho tonga any antsofin ny vadinao zany de ho tsy maintsy hikorontana ny tokatranonao satria ny lehilahy tsy mahazaka zavatra hotran izany. Olona mpampiady ny tena marina ilay reninao. Mahereza mivavaka ho azy
Minosoa --- Tsotra r'se no ataon-ndry @zany a! halavoro tanteraka izy, dia aza atao hitany ny misy anareo, fa enao no mahita ny misy azy, @zay sarotra aminy ny hitady hevitra hampiadiana anareo, ny tiako ambara dia izao: raha mety dia mifindra trano lavitra azy, tsy midika akory zay hoe, mianadino azy ianareo, saingy mitandrina ny zavatra mety hitranga aorina, fa raha mitohy io dia potika tanteraka ny fiainatokan-tranonareo mivady...Bon courage
Vahaolana mihaja sy milamina no efa eo ambony , fa izao kosa tsy hoe rehefa RAD dia hotompoina sy hoajaina na dia efa mihatra aman'aina aza ny zavatra ataony . Tokatrano , izay misy zanaka mbola ho lavi-dalan-kaleha no atrehan'ny mpivady , ny fiainan'ny olon-dehibe mety efa vita aagamba fa ireto zanaka no mbola lavidalan-kaleha , izay mila ny RAD ao antrano milamina sy manohan'azy , ilay Renibe nefa toa manao izay tsy zakan'ny aina ........manahirana ihnay izany an !
Mbl mamerin any fisaorana aminareo manampy.Efa nandalo tato antsaiko mitsy le oe ifindra toerana noho io reniko io mits, dia tam heritaona nipostuler bdb tam toerana hafa aho mba hiova asa de nisy anakiray zay tena nety tamiko fa tsy nifanaraka ndray izaho sy ilay mpampiasa tato afara. de kivy tamin iny aho, mo koa niteraka de lasa tavela teto indray.Ny vadiko ndray tsy sarotiny amzany fa micomprendre tsara izy.
Minosoa > Ny reniko niteraka dia mitovy toetra @ ny anao. Rehefa nanambady izahay dia tsy nisy afa-tsy fifosana ny vadinay mianadahy avy mbola miampy levilevy anay. Ny niafarany dia tsy navelako nandingana ny tokonam-baravarako intsony fa izahay mbola nandeha tany satria mbola teo i dadanay. Dia nanao toa izany daholo ny iraitampo neha izahay 5 mianadahy. Rehefa maty i dadanay dia tsy nankany aminy intsony izahay mianadahy avy satria tsy ampy fialam-boly angamba ny reninay ka mivazavaza @ tsy antony ary mahita holazaina foana momba ny vinantony na lahy na vavy. 3 volana taty aorian'ny nahalasa an'i dadanay dia nampanantsoiny izahay mianadahy avy, miaraka @ vady aman-janaka. Dia nifona taminay tsirairay izy. Niangavy izy mba hamangivangy aza na dia tsy eo intsony aza i dada fa hiezaka mafy izy. 20 taona izao no nahafatesan'i dadanay, nitana ny teniny i neninay, lasa olona mahafinaritra. Indraindray hita hoe misy mangidihidy azy ny lelany fa voavandravandra dia mihomehy fotsiny dia avadiny zavatra hafa ny resaka. Na izany aza di tsy nankany aminay mianadahy avy intsony izy hatr@ izay nahalasa an'i dadanay raha tsy alaina dia entiny aty an-tranonay.Ka hoy aho hoe, tsara ny manao cartes sur table fa tsara koa ny manome lesona. Tsy hoe ray aman-dreniny izy ka tsy maintsy hajaina na hita izao aza fa tsy mety ny ataony. Aza avela hiditra ao aminareo intsony izy mandra-paha. Hazavao aminy tsara fa tsy mila mpanakorontana ianao.