image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 68

Tsy mety izany. Manome cadeau etc. izy tsy maninona raha izay no tiany, fa tsisy antony hitenenany amin'ny tompom-bady hoe ho an'ny vadinao no nitondrako an'ity fa tsy ho anao. Tsy fanajana ny maha-mpivady azy ireo izany, ary manipy hevitra maro. Raha izaho ilay tompom-bady, na tsy mila ady aza, dia mba mailomailo ihany.Raha manam-pahendrena ihany koa ilay vehivavy dia na miresaka amin'ny vadiny avy eo, tsy miandry anontaniana hoe inona no hanaovana remarque tsy ilaina toa izany, na namaly teo no ho eo hoe efa iray ihany izahay roa ka raha tsy tianao ho raisin'ny vadiko dia aza omena ahy.Vehivavy aho.


ny anao indray ry trandraka efa cas hafa mihitsy satria olona mifankafantatra ianareo fa raha ity ny an'ny tompon'ny sujet dia mazava be fa olona tsy mifankafantatra ilay mpanome cadeau sy ny vadin'ilay nomena cadeau satria izay ry zareo vao nifankahita fa amiko toa resaka jalousie ilay izy olona mbola tsy fantatrao akory ve dia avy hatrany ianao dia miteny tahaka izany !!!


Misely > Adinoko no nilaza, fa ny vadin'io vehivavy io, dia mbola tsy fantatro mihitsy, ary mbola tsy nisy contact tamiko na indray mandeha aza alohan'ny nivantanako tao amindry zareo, satria vao nivady vao haingana zareo tamin'izay fotoana izay.Fa na izany na tsy izany, mbola averiko ihany fa tsy misy fantatsika ny déroulement ny tantara, ary raha olona normal, en temps normal (eny fa na dia atao aza hoe nisy fahasarontam-piaro), tsy hamoaka izany phrase izany mihitsy, fa nisy zava-nitranga tao ambadika tao. Iza no mahita, fa mety mitovy amin'io tantara lazaiko io no nitranga "ohatra", ary tsy nahatanty ilay mpanolotra fa tonga dia "nanivaka" ha ha ha


Tena torohevitra avy aty amiko ity ! rehefa manome cadeau olona dia midika izany fa foinao ho azy iny ary nomenao ampitiavana sy ampahatsorana ! ka izay anaovany azy any tsy aza atao mankarary andoha ! nomeny ny vadiny ilay izy avy eo dia izay ny safidiny e efa azy iny ka izay tiany anaovany azy indray ! raha tsy zakanao zany dia tsotra be oe aza manome cadeau olona intsony satria tsy foinao izany ilay izy !


trandraka<< tena io voalazanao io mihitsy no noharitreretiko. Io ilay nolazaiko hoe : vady Ramoramanana. Mety koa aloha mampiasa ny vadiny hangatahana zavatra @ olona!


Ny fijeriko ity cas ity , nampiseho fihetsika handray haingana ilay vady dia nahatonga ilay olona ni-préciser !!! misy mantsy vady lehilahy, raha vao misy manolotra cadeau ny vadiny vehivavy na anniversaire aza , dia izy no mipinga mandray azy voalohany sy manokatra !!!!! efa nanatrika sy nahita aho , de gaga ny tena


Ny tena marina @ resaka ity moa zany dia tokony jerena t@ fotoana ahoana no niteny an'izany ilay vahiny ?Possible zany niresaka tsara ry zareo mivady sy ilay vahiny ary miaraka mihomehy sy miramirana mitantara ny souvenir tsara tany taloha, izany hoe toa mifankahazo tsara ny resaka izy mivady sy ilay vahiny. Dia tonga dia navokany ohatra ilay cadeau avo lenta ka faly daholo ry zareo mivady ka possible eto ilay vahiny milaza fa ilay phone tsy anao fa any vadinao, fa sangisangy ilay fitenenana.Ny problčme koa manko isika malagasy mody miresaka be nefa jaloux fa mody cool ka tena mety voafitaka izay ilay vahiny. Ataoko fa nohony fandraisanareo azy sans façon no nitenenany izany mba vazivazy. Na zaho aza misy manao fiteny toa ireo fa arakaraka ilay fifandraisana @ ilay olona.