image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Publications: 11916

Tena tsy misy mba manana toro hevitra mihitsy ve tsika ato ôôô.


Tena tsy misy mba manana toro hevitra mihitsy ve tsika ato ôôô.


RadoM >>> ny fahitako azy dia tsy ampy loatra ny zavatra lazainao ka sarotra ny hanampiana anao.Inona ny nanaovana ny rindrina? biriky ve? Tany sa tanimanga? parpaing ve? sa zavatra hafa?miitatra ve ilay triatra sa tsy miitatra? Vao vita ve dia efa niseho ny triatra sa efa taty aoriana? Hatrany ambany ve ilay triatra sa hoe toerana kelikely ihany.Ny zavatra mety hitranga dia :na hoe io efa voalazanao io hoe matavy be loatra ny dosage cimentna koa hoe misy zavatra hafa (tany na ....) ny fasika nampiasaina tamin'ny lalotrana raha ohatra ka miitatra ny triatra dia mety hoe avy any amin'ny fototra no misy mihetsikaMety zavatra isan-karazany no mahatonga ny triatra fa rehefa tsy mitombo ny habetsany sy ny habeny dia tsy misy atahorana loatraMirary soa


Zaho efa sendra an'io satria tadidiko fa natao norme be ny dosage ary ny ciment nampiasaina dia CPA 42,5 tamin'izany; Taty aoriana betsaka ny fissures, tsy dia ngeza fa teo amin'ny 1mm teo ny ankabeazany ary tsy dia niitattra nandritra ny taona 4 teo zay vao nandoko.Rehefa nandinika aho ny anton'ny fissures dia ny fitambaran'ireto: dosage matavy, mise en oeuvre tsy voahaja satrai tsy nalefa par couche lay lalotra (crepissage pour accrochage, dressage ary finition), tsy voatondraka rano rehefa vita hahatsara lay prise dia mora nodanihan'ny andro...Ny vahaolako: sokafana kely amin'ny spatule dia nasiana platre sy fasika tamisé zay vao nolokoina. Ny mpandoko pro mahay tsara an'io!


Misaotra an'i STAV sy aran namaly.Tena natavy tokoa aloha ilay dosage natao e, satria nandrasanay ny asa natan'ireo maçons, somary sosotra ihany izy ireo tamin'izay satria tsy dia afaka nanao baolina (namoaka entana).Biriky no nolalorina ary biriky tanimanga tsara, izahay moa basique be ny fahalalana ny teknika fanaovan-trano dia ny hoe 3 sy 1 ny dosage lalotra dia izay no narahina. Fa nony aty aoriana dia hita fa misy triatritra ilay rindrina, hita na dia tsy mbola voaloko aza. Tsy triatra hatrany amin'ny fondation akory fa mitsifatsifaka mamela trace, indrindra raha ho voaloko. Nefa dia betsaka izy ireo. IO vahaolana nomen'i aran io tokoa ngamab mety fa asa raha ho vita satria dia betsaka ilay izy hoy aho. Ny anatiny indray dia tsy misy na iray aza.Mety ve raha hosorana enduit fanao exterieur ilay rindrina alohan'ny handokoana?


RadoM> Na andramo lokoina aloha fa mety ho tsentsin'ny loko koa ireny fissure kely ireny na tsy dia ho tazana, na tain-doko hanentsenana azy (na somary marihitra). Mampatsiahy fotsiny aho fa ny plâtre dia matahotra rano, izany hoe raha misy vavany kely idiran'ny orana dia mety hivoraka iny; ny fampiasana platre dia AVEC SOINS BE MIHINTSY.Lay enduit fanao extérieur, tsy mbola nampiasa aho fa mety mandany ihany an sady be pitsony ihany ny fampiasana azy (produit SIKA io nanontaniako io)!!!


Mankasitraka amin'ny valin-teny rehetra, andramana izay mahamety.