image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found image not found
Allez vers Moov.mg
Member
Publications: 1

Salama tompoko,
Mba hizara sy hangataka hevitra aminareo momba ny tantara niainako aho. Ialako tsiny amboalohany fa lava be ilay izy.
Taona fahatelo teny amn université aho no nifankafantatra izahay, nandefa demande d’amis tamiko tamin’ny tambazotran-tserasera izy, 22taona aho tamn’io, ary izy 23 taona.
Tsy dia hoe niresaka be taminy aho, fa juste slt, slt, ca va sns… izy misikotra resaka tamiko matetika foana anefa, rehefa nandeha ny fotoana, nanjary lasa nifankahazo teny izahay, volana maromaro taty aorina lasa mpiresaka isanandro. Marihiko moa fa izaho tany amin’ny faritra, ary izy nipetraka teto Tana. Teo amin’ny 7 volana teo, niakatra kely herinandro teto tana aho (vacances fin 3eme année an universtié tamnio), tamn’io no nifankahitanay mivantana voalohany, tsy dia nanaitra ahy ny endriny, satria toa tsara2 kokoa izy amin’ny sary raha oharina amin’ny tena izy , ary lava kokoa no nieritreretako azy. Izy anefa nahita ahy dia tafalatsaka, ary somary menatra2 zay izy, anefa izahay efa mpiresaka amambolana maro. Tamnio andro io, juste hoe niaraka nisakafo kely adin ray teo dia avy eo samy niala…nody taty amin’ny faritra aho taorinan io, ary nanomboka nitory fitiavana tamiko izy, izaho tsy dia taitra, nolaviko mora2 foana ilay fitiavany na navadiko sangy2 sy hanihany fotsiny ilay izy (oh : miteny izy hoe je t aime ne oa e, dia valiko hoe je t’aime ossi e miaraka am smiley lanaky ny fimehezana, na mitranga lela)…rehefa nandeha indray ny fotoana dia toa lasa fahazarana ilay sangy2, toa nivadika mpifankatia hoazy teny izahay. Vacances 4eme année indray, niakatra kely teto tana indray aho, ary nifakahita izahay, tamnio vao tena hoe niaraka officiellement, rehefa nody aho dia toa samy nalahelo izahay, tsy hay na rahoviana indray no hihaona sns, nitohy indray aloha ny relation à distance.
Rehefa tapitra anefa ny 5eme année’ko, vita ny fianarana, niakatra hifindra tateraka teto Tana amzay aho, satria tsy nisy tolotr asa mifanaraka am formation universitaire nataoko tany amin’ny faritra…Io fotoana nifindrako teto voalohany io no tena nahatsapako fijaliana sy fihafiana satria trano ratsy2 feno totozy no nipetrahako, manao ladina antany rehefa matory fa mbola tsy nanana fandrina, tena hoe mihafy e…izaho koa amnio tsy nahita izay gauche sy droite teto tana, tsy mahlala izay bus tokony horaisina sns satria mbola tsy nipetraka teto aho taloha, anefa aho mila miezivezy satria mitady asa, mila mametraka dossier amin ny orianasa, mandeha manao entretien rehefa voaantso, ary nandray valiny negatif maro2 satria tsy mbola nanana experience professionnel…Bref, tsapako hoe mafy tamiko. Izy anefa tamnio tena teo foana nanohana ahy, nanoro hevitra, nanambony moral, namalifaly Sns…tamnio fotoana io no tena nahatsapako fa tena tia ahy izy, ary izaho koa tena tia azy…Tsy nahatsapa tena irery aho fa nanana azy
Soa ihany fa roa volana taty aoriana, nahita asa amin’izay aho, ary vao nandray karama voalohany aho, dia nifindra trano, ary nanomboka napiditra fanaka tsikelikely (fandriana, armoire, télé, …) izy moa dia teo foana, nanatitra ahy niatsena, nanoro hevitra sns…Ary dia tena hoe nifankatia tanteraka izahay, nahatsapa tena sambatra aho, ary faly aho, fa nahita ny anjarako ….
Indray hariva anefa, nahita photo de profil ana vehivahy tao am section «vous connaissez peut être » tao amin’ny facebooka aho, nanaitra ahy ilay photo de profil satria sarin’ilay olotiako miaraka amina vehivavy (marihiko fa tsy amis sur facebook amin io compte io ny compte an ilay olotiako) tonga dia nandefasako mp, miaraka amn capture d’ecran ilay olotiako hoe iza hoaho ito, nolazainy fa ex’ny hono, fa hoteneniny hono ilay vehivavy hoe esory io sary io, vety2 eo moa dia nisolo ilay sary, tapitra ny resakay…Apitson io andro io anefa, toa tsy mandry2 ny saiko, niverenako nojerena indray ilay profil an’ilay vehivavy, ary nosavaiko daholo ny sary rehetra tao, ary hitako fa tena misy sarin’izy roa maro be, ary misy sarina zazakely ihany koa…nikorotana tatereka ny saiko
Mbola tsy fantatro izay tena marina, fa notsatohiko fotsiny ilay olotiako hoe : « Ankehitriny, fantatro daholo ny marina rehetra, dia mbola hosahinao foana ve ny handainga amiko ? » , nibaradaka teo izy, nohadihadiako tsara ary nitsotra ny marina rehetra, manambady aradalana izy, ary mananjanaka… Toy ny nilatsahambaratra aho, nalahelo mafy ny foko…Tiako ho marihina moa hoe izahay tamin’y mbola niaraka, tsy hoe niafina fa nifampitatana teny andalana, mihaona matetika, mifampiantso matetika, indraindray miresaka am phone efa ho adin’iray alohan’ny hatory, indraindray matory aty atranoko izy, indraindray feno lokomenako ny teeshirt’ny izy mandeha mody any, misy succon tendany sy ny tratrany sns…Ary tsy indray tsy indroa aho no nanotany azy tamin’izahay mbola niaina relation à distance hoe ianao hoaho sao dia efa manana olotiana, na manana sipa, nolaviny hatrany hoe tsia, teo aloha izy hono no nanana, fa amin’izao izy celibataire.
Vao nahalala anefa aho hoe manambady izy, dia feno hetezerana ny foko, ary nanaovako teny mahery sy opa variraraka izy (izay tsy mba fanaoko hatrzay niainako fa dia nentin’ny fahatezerana e). Izy nifona sy nibaboka hatrany, efa ela hono no te hilaza an io amiko izy fa natahotra dia tsy nahasahy nilaza.
**Mety hiteny ianareo hoe anga dia tsy mba nisy signe mihitsy hoe manambady izy e ? Ny signe aloha mety nisy fa tsy tsikaritro, fa ny zavatra no’remarquerko ftsny, tsy azo nokitihako ny telephone’ny, verouillé be foana, na ataony mode avion…Tamin’ny voaloany aho no tezitra fa avy eo tsy norarahiako intsony. Sgne faharoa : tsy mbola nilaza details momba ny toerana nonenany izy fa hoe amin’ny dadatoany hono izy no mipetraka, ny RARny hono any am faritra. Hay izy ity miaramonina am vady amanjanany. Signe fahatelo koa : vitsy kely ny olona proche azy nifanersasera tamiko, namana, cousin, tonton izay marihiko fa samy nahalala daholo fa manambady izy miaraka amiko io fa dia samy nody fanina daholo**
Taorinan io dia, nataoko liste noir ny numero’ny, no’bloquerko tam facebook, notapahako tanteraka ny fifandraisana taminy.
Ankehitriny, tsy mitsahatra ny mifona sy manambitamby ahy izy,mitady numéro hafa hi’contacterna sy andefasana SMS amiko, mandeha any amin’ny toerana fiasako, mandeha any atranoko mitady ahy. Omeo fotoana hono izy ahafahany mi’regler ny situation’ny sy ahafahany miaraka amiko ampahalalahana amzay. Izay fantatro loatra fa tsy hanao izany velively izy, teo aza izahay niaraka firy taona tsy nitady moyen, ka rehefa tratrako ny marina vao hoe omeo fotoana indray ??
Tsy hitako izay hataoko , amin’ny ilany, malahelo azy ny foko, satria tsapako fa tena fitiavana tokoa ny niainanay (malgé tout), ary olona nanohana ahy tamin’ny fotoana nahatsapako tena ho irery izy…Amin’ny ilany indray, inona moa ny azoko antenaina eo, izy aza efa manambady amanjanaka, ary olona namitaka ahy nandritry ny firy taona ve no ndeh hanorenana avenir.
Raha ny fahitako azy, dia ilay izy nanambady aloha loatra angamba (teo amin’ny 20 taona teo izy zany no nanambady) dia aty aoriana izy vao te hanao fiainan-jatovo…na koa oe tsy haiko e, tsy haiko, tena very tanteraka aho, sady voafitaka. Ny conscience’ko manenjika ahy hoe ity izaho hatrizay navitrika ery nandeha nivavaka isaky ny alahady ity kay vadin olona no niarahako.
Inona tompoko ny hevitrareo momba ity tantarako ity ? misy efa niaina toe-javara toa ahy ve ? raha ny hevitrareo, inona ny tokony hataoko ?
Misaotra betsaka anareo namaky, ary ialana tsiny tompoko fa lava be.


Arahabaina fa tonga eto Antananarivo ianao, "Tanànan’ny revy rehetra, Ny bonne sy ny voretra, Ny mamba manetsetra, Ny mpivavaka mipararetra, Ny mpitandrina sy ny eveka, Kepoka toy ny taretra, Ny vahoaka ity lasa miroule, Ny katry miara mitolona, Antsoina manao be marenina, Maditra saro-tenenina, Dondrona sady domelina, Hambarako anao izao ny marina, F’ianao ohatran’ny fanina, Ny katry tsy laitra hanarina, Fa ny feonao fotsiny no farina" (Tononkiran'i Samoela) Izao hatrany no anatro ho an'ny vehivavy (Na lehilahy koa) namako mikasika ny fifandraisana @ Internet. Toy ny fifankahitana eny ambony bus isa-maraina ihany izy io, mety miresaka matetika fa aleo manadihady lalina ihany vao miroso @ zavatra lalindalina kokoa. Olona nifanerasera taminao tany an-tsekoly aza atao hoe mitovitovy fitaizana aminao, mahavita mivadika tampoka eo ka mainka fa olona tsy mbola tena niara-niaina taminao. Mety hoe nanaiky hiara-hatory ianao t@ voalohany satria toa nety, toa tena izy tokoa saingy tsy garanti izany hilazanao azy hoe fiable fa mila *****o hatrany mandrapahafantaranao ny mikasika azy marina. Nahalala mpiara-miasa fahiny aho, efa lehibebe ihany ilay vehivavy fa efa nanatona ny faha-40 taonany, tsy mbola nanambady ihany. Nisy fotoana anefa tazanay misy lehilahy maka sy manatitra azy any am-piasana isan'andro. Mba faly izahay fa nanana olon-tiana ihany ity izy. Nony avy eo bevohoka, mbola teny ihany ilay razoky nanatitra sy naka azy. Nony teraka soa aman-tsara ilay zaza dia tsy hita tableau intsony ilay lehilahy. Nony niverina niasa ilay vehivavy dia nitantara taminay n***** akaiky tao fa hay lehilahy manambady ity izy fa tsy nisy signe tazana mihitsy. Nanana trano 2 ilay lehilahy ka ny vady aman-janany dia tany Antsirabe, moa izy niasa teto Antananarivo ary nanana appartement nipetrahany irery. Ilay vehivavy kosa nanana ny tranony irery koa fa tsy nety hoe hipetraka tany aminy raha tsy hoe vita mariage farafaharatsiny. Nony nantsoina ilay lehilahy hono dia nihaona rizareo, ni-reconnaître ilay zaza izy aloha ka nitondra ny anarany ilay zaza saingy nibaboka fa tsy hiara-hipetraka @ ilay vehivavy mihitsy. Teo @ asany ilay lehilahy no nandainga hoe mandeha mission matetika any antsirabe fa misy projet maharitra mila andalovany any, hay kay mamangy vady aman-janaka. Na dia voasoratra ho manan-dray aza anefa ity zaza dia tsy hita intsony mihitsy ilay lehilahy, moa ilay vehivavy tsy te-handalo any @ ilay appartement-ny intsony fa tena tofoka tanteraka. Heveriko hoe cas extreme io fa ny anao aloha ry KALA VAVY, sosokevitro dia hoe mialà dieny izao. Inona no antenainao aminy ? Na sanatria hisaraka @ vadiny aza izy ka ho any aminao, ho tsara ve ny tokantrano miorina eo @ alahelom-bady na alahelon-janaka. Ny fanambadiana tsy hoe afaka soloina indray afaka taona vitsivitsy rehefa manana olana fa dia iaretana ao. Mahereza fa dia manadihadia lalina mialoha ny tena hidirana lalindalina kokoa. Aleo izao no maratra ny fo dia mamadika pejy toy izao maratra en permanence ny fo