Reny mampinono : ireo sakafo mety mampidi-drivotra ny zaza
Marina fa arak’ireo vokam-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana dia tsy avy amin’ny sakafo hoanin’ny reny mampinono no mahatonga ny rivotra amin’ny zazakely. Misy ihany nefa ireo karazana sakafo heverina fa mety mandrisika ireo soritr’aretina mitranga rehefa misy rivotra ny zaza.
Ireo karazana sakafo mety mampisy rivotra eo amin’ny zaza minono amin’ny reniny
Anisan’ireo sakafo heverina fa mavesatra sy mety mampisy rivotra ny zaza ka tsy dia tsara hoanin’ny reny mampinono ny :
-Vokatra azo avy amin’ny ronono. Misy amin’ireo « protéines » hita ao amin’ny rononon’omby no mety ho lasa mankany amin’ny rononon-dreny ka manakorontana ny taova fandevonan-kanin’ny zaza sasany ;
-Sakafo mahabe rivotra ny reny. Ny sakafo toy ny tsaramaso, laisoa, brocoli, tongolo sy ny ny zava-pisotro misy gaz dia mety hampisy rivotra ny reny ary mety ho tonga any amin’ny zaza ;
-Kafeina. Ny fisotroana kafeina be loatra, toy ny kafe, dite, sôkôlà… dia mety hanakorontana ny kibon’ny zaza ;
-Sakafo masitsiaka. Eo amin’ny zaza malemy kibo dia mety hanakorontana ny kibony ny fihinanan’ny reny mampinono sakafo masitsiaka na be episy.
-Marihana fa samy manana ny toe-batany ny zaza tsirairay. Maro amin’ireo zazakely no tsy andairan’ireo sakafo voalaza fa tsy tsara hoanin’ny reny mampinono ireo.
Ahoana no atao raha ahiana mampisy rivotra ny zaza ny sakafon’ny mpampinono
Ireto manaraka ireto ary ny torohevitra tsara arahana raha toa ka ahiana misy hifandraisany amin’ny sakafon’ny mpampinono ny rivotra eo amin’ny zaza :
-Raketina an-tsoratra ny sakafo hoanin’ny reny. Izany hoe soratana avokoa ny sakafo rehetra sy ny fotoana mampisy rivotra ben y zaza. Izany dia manampy ahitana raha misy fifandraisany tokoa ny sakafon’ny mpampinono sy ny rivotra eo amin’ny zaza ;
-Esorina tsirairay ny sakafo heverina fa mampisy rivotra ny zaza. Foanana tsikelikely mandritra ny andro na herinandro vitsy izy ireo hijerena raha misy fiovana eo amin’ny zaza na mbola be rivotra ihany izy ;
-Manantona mpitsabo manokana ny zazakely raha be rivotra matetika ilay zaza na koa ahitana fambara hafa miaraka amin’izany, toy ny hoe kizitina, mitomany be, tsy matory tsara, misy mibontsibontsina ny hodiny… Ny mpitsabo no mamaritra ny antony mahatonga ny rivotra eo amin’ny zaza sy manao ny fitsaboana sahaza izany.
Fanamarihana
Marihana fa tsy azo ataon’ny mpampinono ny mifady sakafo be loatra raha tsy nahazo alalana avy amin’ny mpitsabo. Mety mahatonga « carences nutritionnelles » eo amin’ny reny tokoa mantsy izany. Ny tokony atao dia ny mamantatra ireo karazana sakafo mety mampisy rivotra na manakorontana ny kibon’ny zaza sy mampihena ny fihinanana izany.