• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Fihaonana ASAFG : Hiomanana ny fomba fikojakojana ny lalana manoloana ny fivoaran’ny teknolojia

15/04/2025 14:47 © Moov

Mivoatra ny teknolojia, indrindra eo amin’ny lafiny fitaterana. Ao anatin’izany fivoarana hita izany ny firoboroboan’ny fiara elektrika ka mety hampihena ny vola miditra amin’ny tahirim-bola ho an’ny lalana. Tanterahina eto Antananarivo araka izany ny fihaonam-be isan-taonan’ny ASAFG na Groupe Focal de l’Afrique australe mba hahafahana miatrika ireo fanamby manoloana io firoboroboana io.

Mety hihena ny vola fikojakojana lalana

Haharitra telo andro ity fihaonana ity ary hifanakalo hevitra sy traik'efa ireo solontena, mikasika ny fanamby ara-teknika, ara-bola ary ara-tontolo iainana amin’ny fikojakojana lalana, indrindra eo anatrehan’ny fiovàna ara-angovo. Nanamarika ny Minisitry ny asa vaventy, Rafidison Richard Théodore, fa “ilaina ny famolavolana politika sahy sy fahaiza-miara-miasa mba hiatrehana ny fanamby entin’ny fiara mandeha amin’ny herinaratra sy ny fandrosoana ara-teknolojia amin’ny fikojakojana lalana”. Tsara mantsy ny manamarika fa rehefa mihena ny fampiasana akoran’afo dia mihena manaraka izany ihany koa ny vola miditra ao amin’ny « fonds routier ».
Araka izany, mifototra amin’ny lohahevitra hikaroham-bahaolana sahady ny lohahevitry ny fihaonana, dia ny hoe « Ny hoavin’ny fikojakojana ny lalana amin’ny alalan’ny teknolojia vaovao sy ny fiara mandeha amin’ny herinaratra ».

Firenena miisa 8

Firenena miisa 8 no mandray anjara amin’ity fihaonana ity. Ao anatin’izany i Angola, Lesotho, Malawi, Mozambique, Namibie, Zambie, Zimbabwe ary Madagascar. Mandritra ireo telo andro ireo dia hifanolo-kevitra ireo firenena samihafa amin’ny mety ho fampiharana ny politika. Marihina mantsy fa misy amin’izy ireo no efa miroborobo ny fiara elektrika sy ireo fiara tsy mampiasa akoran’afo ka efa manana ny paikady fikojakojany ny lalana izy. Izay traikefa izay indrindra no ho ezahin’i Madagasikara ho alaina.
Hojerena manokana izany ny fampidirana teknolojia manan-tsaina sy ny fiara mandeha amin’ny herinaratra ho ao anatin’ny paikady fikojakojana. Etsy andaniny ny fanamafisana ny finiavan’ny Fitondram-panjakana Malagasy amin’ny fananganana vahaolana maharitra ary fampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ireo tahirim-bolan’ny lalana aty Afrika.

Lire la suite

Articles Similaires