Avy niteraka nididy : fantaro ireo zavatra tsy tokony atao
Fomba fiterahana efa voafehy sy be mpanao ankehitriny fandidiana na « césarienne ». Isan’ny fomba iray hiarovana ny fahasalamana ary ny ain’ny reny sy ny zaza izy ity rehefa sendra misy fahasarotana ny fiterahana na ny vohoka. Na dia efa azo antoka aza ny « césarienne » dia misy ihany ireo zavatra mila tandremana sy tsy tokony ataon’ny reny avy niteraka nididy. Araho eto ny andinindininy amin’izany.
Avy niteraka nididy : tsy miandry ela loatra vao mitsangana
Tokony efa mitsangana ny vehivavy avy niteraka nididy na avy natao « césarienne » aorian’ny 24 ora nanatanterahana ny fandidiana. Ny tsy fihetsehana mandritra ny fotoana ela loatra dia mampitombo ny « risque de phlébite ». Ity farany moa dia ny fisian’ny rà mivaingana ao anatin’ny lalandrà. Mila fanampiana sy fanaraha-maso avy amin’ny mpiasan’ny fahasalamana kosa nefa io fitsanganana voalohany aorian’ny « césarienne » io vao afaka atao. Maro tokoa mantsy ireo sosona ao amin’ny kibo nodidiana ary voakorontana ireo taova ka mila fitandremana tsara rehefa miharina sy mitsangana ny bevohoka.
Milona rano mafana rehefa mandro
Rehefa avy niteraka nididy dia fadiana ny milona rano mafana rehefa mandro. Tsy mety arak’izany ny mandro ao anaty « baignoire » fa mitondraka rano matimaty ihany no atao rehefa mandro. Izany dia mba hisorohana ny « risque d’infection » eo amin’ny faritra misy ny fery. Mety hidiran’ny mikraoba na bakteria tokoa mantsy ilay faritra nodidiana ka mety hitarika fahasarotana ara-pahasalamana. Miandry eo ho eo amin’ny 1 volana aorian’ny fandidiana na rehefa sitrana ny fery ivelany vao afaka mandro milona anaty rano mafana.
Mibata zavatra mavesatra
Isan’ireo zavatra tsy azo atao ary tena fadiana ny mibata zavatra mavesatra rehefa avy niteraka nididy. Toy izay ihany koa ny miondrika be. Mety mampitriatra na mampisokatra ny zaitra eo amin’ny fery ny fanaovana azy ireo. Mety mahatonga fihetsehan’ny taova ao anaty kibo izay mbola tsy nahazo toerana tsara taorian’ny fandidiana ihany koa izany. Mila miandry volana vitsy aorian’ny fiterahana vao afaka milanja zavatra mavesatra sy miondrika be.
Manao akanjo tery loatra sy matory mihohoka
Maharitra herinandro maromaro vao mikatona tsara ny fery eo amin’ny vehivavy natao « césarienne ». Mba tsy hampaharitra ny fotoana hahasitranan’io fery io dia fadiana ny manao akanjo tery izay mety hikosokosoka azy. Tsy mety ihany koa ny matory mihohoka, indrindra ao anatin’ny andro maromaro aorian’ny fiterahana. Endrasana ho maina sy tsy marary intsony ilay fery vao matory mihohoka.
Manao firaisana ara-nofo
Tsy misy fe-potoana voafaritra mazava hoe firy andro na firy volana aorian’ny fiterahana nididy vao afaka manao firaisana ara-nofo ny vehivavy. Marina fa mety ho afaka afaka andro na herinandro vitsivitsy aorian’ny fandidiana ny fanaintainana eo amin’ny kibo. Izany nefa tsy midika hoe efa mikatona tsara ny fery anatiny ary efa miverina amin’ny laoniny tsara avokoa ireo taova voakorontana. Tsara arak’izany raha miandry volana vitsivitsy vao miray ara-nofo. Mila mihaino tsara ny vatany sy ny sain’ny vehivavy vao manapa-kevitra hoe efa vonona hanao firaisana sa mbola.