• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Reny&Zaza

« Vergetures » mandritra ny fitondrana vohoka : ny mahatonga azy sy ny azo atao

07/10/2026 13:10 © Moov.Mg

Matetika miseho mandritra ny fitondrana vohoka ny « vergetures » na ilay antsoina hoe mariky ny fihenjanan’ny hoditra. Marina fa tsy mampidi-doza amin’ny fahasalamana izy ireny, nefa kosa mety hanelingelina tokoa noho ny bika aman’endriny. Ny fahafantarana ny anton’ny « vergetures » sy ny fomba hikarakarana ny hoditra dia manampy amin’ny fiatrehana izany amim-pitoniana.

Inona no atao hoe « vergetures »?

Ny « vergeture » dia takaitra madinika miseho rehefa mihenjana be ao anatin’ny fotoana fohy ny hoditra. Amin’ny voalohany dia mety ho mena, mavokely, volomparasy na volontsôkôlà izy ireo, arakaraka ny lokon’ny hoditra. Rehefa mandeha ny fotoana dia mihamalefaka ny lokony ka lasa fotsifotsy na volafotsy.

Maninona no miseho matetika kokoa ny « vergetures » mandritra ny fitondrana vohoka ?

Maro ireo antony mahatonga ny « vergetures » hiseho matetika kokoa mandritra ny fitondrana vohoka :

Fihenjanan’ny hoditra haingana.

Mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo tsikelikely ny kibon’ny vehivavy mba handraisana ny zaza. Mitombo habe ihany koa ny nono ho fiomanana amin’ny fampinonoana. Rehefa mihenjana haingana kokoa noho ny tokony ho izy ny hoditra dia mety hisy fahatapahana madinika ny « fibre collagène » sy « élastine » ka izay no mampipoitra ny « vergetures ».

Fiovan’ny hormonina

Manana anjara toerana lehibe ihany koa ny hormonina mandritra ny fitondrana vohoka. Misy hormonina sasany mety hanova ny firafitry ny « collagène » sy ny « élastine » izay manome fahamafisana sy fahafaha-mihetsika ny hoditra. Vokatr’izany dia lasa mora voamariky ny fihenjanana ny hoditra.

Antony ara-pirazanana

Anisan’ny antony lehibe mahatonga ny « vergetures » ny lova ara-pirazanana (génétique). Raha nisy « vergetures » betsaka ny reny na ny iray tampa nandritra ny fitondrana vohoka dia mety hambony ihany koa ny « risques » mety hampisy izany ny bevohoka. Ny kalitaon’ny hoditra sy ny firafitry ny « collagène » tokoa mantsy dia voarafitra ny « génétique » amin’ny ampahany.
Fitomboan-danja be na haingana
Rehefa miakatra haingana ny lanja mandritra ny fitondrana vohoka dia mitombo ny tsindry sy ny fihenjanana mihatra amin’ny hoditra. Noho izany, ny « vergetures » dia matetika hita kokoa eo amin’ireo bevohoka nitombo lanja haingana na nitombo be haingana ny kibony mandritra ny vohoka.

Toetra manokana sasany

Misy antony hafa ihany koa mety hampitombo ny « risques » hampisy « vergetures » mandritra ny fitondrana vohoka:
-Mbola tanora kely ny bevohoka;
-Vohoka voalohany;
-Mitondra kambana na zaza maromaro;
-Ambony ny lanjan’ny zaza ao an-kibo;
-Efa nisy « vergetures » nandritra ny fahamaotiana.

Azo sorohana tanteraka ve ny « vergetures »?

Hatramin’izao dia tsy mbola misy fomba voaporofo ara-tsiansa afaka misoroka tanteraka ny « vergetures ». Na dia efa mikarakara tsara ny hoditra aza ny vehivavy sasany dia mety mbola hisy « vergetures » ihany noho ny antony hormonaly sy ara-pirazanana izay tsy voafehy. Na izany aza nefa dia misy ihany ny fahazarana sasany mety hanampy amin’ny fitazonana ny fahasalaman’ny hoditra.

Inona no azo atao mandritra ny fitondrana vohoka?

Mampiasa menaka na crème » mampamando hoditra

Ny fanosorana « crème » na menaka isan’andro dia manampy amin’ny fampihenana ny fahatsapana misintona sy mampitombo ny fampitoniana ny hoditra. Anisan’ireo akora mahazatra azo ampiasain’ny bevohoka ny « glycérine », « beurre de karité », « huile d’amande douce » … Tsara homarihina anefa fa tsy miantoka ny tsy hisehoan’ny « vergetures » ny fanosorana « crème » na menaka.

Mifehy ny fitomboan-danja

Ny fanarahana ny toromarika ara-pitsaboana momba ny fitomboan-danja mandritra ny vohoka dia afaka manampy amin’ny fampihenana ny fihenjanana tafahoatra amin’ny hoditra. Mba hanatanterahana izany dia tsara raha mihinana sakafo voalanjalanja, indrindra manankarena proteinina, vitamina C, Zinc, vitamina A sy E, asidra matavy ilain’ny vatana. Ireo rehetra ireo moa dia mandray anjara amin’ny famokarana sy fitazonana « collagène ».

Inona no atao raha efa mipoitra ny « vergetures »?

Amin’ny ankapobeny dia tsy levona tanteraka ny « vergetures », saingy mihamalefaka sy tsy dia hita maso intsony rehefa mandeha ny fotoana. Aorian’ny fiterahana dia azo atao ny manatona « dermatologue » raha maniry hitsabo azy.
Misy « crème » sasany afaka manampy hanatsara ny endriky ny « vergetures » vao miseho. Marihana kosa nefa fa misy akora sasany toy ny « rétinoïdes » izay tsy azo ampiasaina mandritra ny fitondrana vohoka ary indraindray koa mandritra ny fampinonoana.
Efa misy ihany koa ny fitsaboana dermatolojika izay afaka mitsabo ny « vergetures ». Any ivelany moa no efa tena mampiasa azy ireny. Anisan’ireo fitsaboa ireo ny « laser », « microneedling », « radiofréquence »… Ireo fomba ireo dia afaka manatsara ny loko sy ny firafitry ny hoditra, saingy tsy manala tanteraka ny « vergetures ».

Lire la suite

Articles Similaires