• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Masanté
Image
Reny&Zaza

Fadim-bolana : Ireo sakafo tsara hanin'ny vehivavy

26/10/2026 14:01 © Moov

Mora sorena, mora reraka, marary kibo, … Tsy mahazo aina ny vehivavy amin'ny ankapobeny rehefa tonga fotoana. Misy ireo tsy mahahetsika firy noho ny aretin-kibo tsy zaka, ao ireo maloiloy, ary ao ireo tsy hay tohinina tsotr'izao.

Mety hanampy amin'ny fahazakana ny fahasorenena sy ny aretina entin'ny fadimbolana ny sakafo hanina.

Sakafo misoroka ny havizanana

Very rà ny vehivavy rehefa mandeha fadim-bolana. Noho izany, amporisihana ny fihinana sakafo be "fer", toy ny legioma maitso, ny tsaramaso, ny lentilles sy ny hena mena.

Sakafo misoroka ny aretin-kibo na lamosina

Mety ho mora vizana ny vehivavy tonga fotoana noho ny kibo na lamosina mavesatra na manindrona mihitsy. Mba hampihena ny fahatsapana fanaintainana, tsara raha sakafo be "oméga-3" sy "magnésium" no tena hanina : trondro matavy, chocolat noir, amandes, akondro, sns.

Tsiahivina ihany koa fa zava-dehibe ny fisotroana rano : rano mafana no tena tsara mba hisorohana ny aretin-kibo ateraky ny rano mangatsiaka. Azo atao ihany koa ny mikarakara lasopy maivamaivana, asiana sakamalaho mba hampafana tsara.

Ireo sakafo tsara sorohina

Adinoina aloha ireo sakafo indostrialy misy akora simika mandritra ny fadim-bolana. Toy izany ihany koa ireo karazana mofomamy na tsakitsaky be siramamy loatra. Tsy mahasoa ihany koa ny sakafo be sira loatra.

Amporisihana ny fikarakarana sakafo natoraly sady mora levonina, tsy asiana vokatra simika sady voalanjalanja tsara ny sira/ siramamy.

Lire la suite

Articles Similaires