• Cours de change
  • 5034.84 AR
  • |
  • $4533.33 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Farihin’Andraikiba Antsirabe : Toerana manan-tantara tsimialonjafy

06/04/2025 04:51 © Moov

Natao ho an’ny rehetra ny fitsidihana ny farihin’Andraikiba, kilometratra miala ny ao an-tampon-tananan’Antsirabe. Tsy misy fadifady ao an-toerana, antony lehibe mahatonga azy ho anisan’ny toeram-pitsangatsanganana manintona mpizahatany sy mpiala sasatra tena malaza.

Amin'iny lalana mihazo an'i Miandrivazo sy Morondava iny no aleha raha toa ka te hitsidika ny farihin'Andraikiba. Misy fitanterana iombonana mandalo eny an-toerana.

Andraikiba, loharano tsy mety ritra

Tany ho any amin’ny taona 900, nipoaka ny volkano goavana tamina tendrombohitra lehibe iray. Nangoaka be ny faritra ambany ilay fipoahana ka rehefa afaka ny afo dia nisy loharano niboiboika nipoitra. Izany indrindra no nahazoana ny farihin'Andraikiba, angalan'ny JIRAMA rano mamatsy an'Antsirabe manontolo. Tsy mety ritra mihitsy ny ranon'io farihy io na vanim-potoana main-tany aza.
Manankarena trondro ihany koa i Andraikiba, ka maro ireo mpanjono sy mpanarato eny an-toerana. Misy fikambanana mifehy sy mandrindra ny asa fanjonoana moa, mba tsy haha-lany tamingana ny trondro. Ho an'ireo mpitsangatsangana, azo atao tsara ny miala voly manjono amin'ny alalan'ny fintana.
Araka ny efa voalaza etsy ambony, tsy misy fadifady ny farihin'Andraikiba, araka ny nambaran'ireo tompon'andraikitra. Ny fitandrovana ny fahadiovan'ny rano sy ny tontolo maitso manodidina ihany no tena imasoana. Tsy misy vidim-pidirana rahateo eny an-toerana.

Andraikiba, rano nahafatesan’i Rakibo

Toerana manan-tantara tokoa ny farihin'Andraikiba. Fahiny elabe hono, nisy Andriana iray nonina teny, fony mbola tsy nipoaka ny volkano. Nanana tsindrimandry izy io ka niala teny an-toerana nialoha ny nitrangan'ny loza. Rehefa niverina teny izy, efa nisy ilay farihy lehibe. Tsy niteraka nefa izy mivady satria momba i Razanaboromanga. Naka vady faharoa izy, nantsoina hoe Rangorovao, ka niara-nonina izy telo. Rehefa niady ireo mpirafivavy, nisy "fifaninanana" nampanaovin'ilay Andriana an'izy roa vavy, ka izay mandresy no tazominy ho vadiny. Nasainy nilomano tamina faritra Kely iray tao amin'ny farihy izy ireo, ka ilay vadiny voalohany momba, Razanaboromanga, no nandresy. Resy sady latsaka an-drano kosa i Rangorovao, ilay vady faharoa nitondra vohoka. Izany hono no nahazoana ny anaran'ny farihy hoe "Andraikibo". Taty aoriana vao namboarina izany anarana izany ka natao hoe Andraikiba. Efa nesorina tao amin'ilay farihy ny razana fa tsy navela tao akory.
Tsara ny manamarika fa efa misy lakana miasa eny Andraikiba, ho an'ireo te hankafy ny ranon'ny farihy.

Lire la suite

Articles Similaires