• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rtl
Image
Asa & Fianarana

Fianarana : ireo tsara fantatra momba ny TDA na « troubles de l'apprentissage »

04/04/2025 10:58 © Moov.Mg

Mbola vitsy eto amintsika ny ray aman-dreny, eny na ny mpampianatra, mahafantra mikasika ny « troubles de l’apprentissage » na ny TDA. Izany dia miteraka tsy fahazoana ny antony mahatonga ny zanaka na ny mpianatra voakasik’izany ka mety vao maika manasaro-javatra. Andeha ary ho fantarina ny atao hoe TDA sy ny fandraisan-tanana sahaza ny ankizy tratr’izany.

Inona no atao hoe « troubles de l’apprentissage » na TDA

Ny « troubles de l’apprentissage » na ny TDA dia fahasarotana amin’ny fahafahan’ny olona iray mianatra na mampiasa fahaiza-manao iray toy ny famakiana teny, fanoratana, fanaovana kajy na ny fandinihana (raisonnement). Tsy misy ifandraisany amin’ny tsy fahampian’ny faranitan-tsaina na ny fahazotoana izy ireo fa vokatry ny fahasamihafana eo amin’ny fiasan’ny atidoha. Mazava ho azy fa ny ankizy misy TDA matetika dia mety tsy maharaka any am-pianarana, miankina amin’ny fisehon’ny « troubles de l’apprentissange ».

Ireo fambaran’ny « troubles de l’apprentissage »

Tsy voatery mitovy ny fisehon’ny « troubles de l’apprentissage ». Miankina amin’ilay karazana « trouble » sy ny taona manko izany. Anisan’ireo fambara fahita ny :
-Fahasahiranana mamaky teny. Izany hoe mety ho ela be mamaky soratra, mandiso, sahirana mahazo ny zavatra novakiana ;
-Fahasahiranana manoratra. Mety handiso tsipelina na fitsipi-pitenenana, sahirana mandrafitra hevitra an-tsoratra ;
-Fahasahiranana manao kajy sy « mathématiques ». Tsy mahavita mahazo ny fototry ny « mathématiques », mamaha « problèmes » na koa mitadidy « faits mathématiques » ;
-Fahasahiranana amin’ny fandinihana ara-tsaina. Izany hoe sahirana mahazo sy manaraka torolalana na koa mandrafitra hevitra ;
-Fahasahiranana mifantoka sy mandamina asa ;
-Fahasahiranana mitadidy. Sahirana mitadidy zavatra, manao asa misy dingana maromaro ;
-Fahasahiranana amin’ny « coordination ». Sahirana amin’ny fandrindrana fihetsika (mouvements), sahirana manoratra na mampiasa fitaovana.

Ireo karazana « trouble de l’apprentissage »

Mizara ho karazany maro ny « troubles de l’apprentissage ». Anisan’izany ny :
-« Dyslexie » na ny fahasahiranana amin’ny fanoratana sy ny famakiana teny ;
-« Dysorthographie » na ny fahasahiranana eo amin’ny tsipelina ;
-« Dyscalculie » na fahasahiranana amin’ny kajy ;
-« Dyspraxie » na ny fahasahiranana amin’ny « coordination ».
-« Trouble du déficit de l’attention avec ou sans hyperactivité » na TDAH.

Ny fandraisan-tanana ny « troubles de l’apprentissage »

Amin’ny ankapobeny dia mila fitambaran-javatra maro ny fandraisan-tanana ny ny « troubles de l’apprentissage ». Anisan’izany ny :
-Fampianarana manokana na hoe « éducation spécialisée » izay mampiatra fandaharam-pianarana mifanaraka amin’ny filan’ilay mpianatra ;
-« Thérapie » hanampiana ilay mpianatra hampivoatra ny « stratégies d’apprentissage » sy handresy ireo fahasahiranana ara-pihetseham-po ;
-Fanohanana ny fianakaviana. Tohanana ary omena torohevitra ny ray aman-dreny mba hanampiana azy ireo hahazo ny filàna manokana eo amin’ny zanany sy mba hanampian’izy ireo ity farany hahomby.
Zava-dehibe ny fahitana mialoha ny « trouble de l’apprentissage » sy ny fahazoana fandraisan-tanana mifanaraka amin’izany mba ahafahan’ilay olona misy TDA handresy izany.

Lire la suite

Articles Similaires