• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Passeport Santé
Image
Asa & Fianarana

Fikoloana ny saina : ireo famantarana fa mila miala sasatra ny atidoha

13/10/2026 14:48 © Moov.Mg

Amin’izao fiainana feno rotoroto izao dia maro ny zavatra iasan’ny saina isan’andro : asa sy fitadiavana, fikarakarana ny zanaka, fiaian-tokantrano, adidy samihafa… Toy ny vatana ihany anefa ny saina, rehefa reraka dia tsy mahavita miasa tsara araka ny tokony ho izy, ary mety hitarika olana ara-pahasalamana mihintsy aza izany. Ireto manaraka ireto àry ireo famantarana maneho fa mila miala sasatra ny atidoha mba hamerenany hery sy hahafahany miasa tsara.

Famantarana fa mila miala sasatra ny atidoha : sahirana mifantoka

Anisan'ny famantarana voalohany maneho faharerahan'ny atidoha ny fihenan'ny fifantohana. Mety ho sahirana mifantoka amin’ny asa tanterahina, lasa sarotra ny manao zavatra iray efa mahazatra, tsy haharaka resaka tsara rehefa mifampiresaka aman’olona…

Mihabetsaka ny zavatra adino

Ara-dalàna ny manadino zavatra indraindray. Fa raha lasa matetika kokoa izany nefa tsy misy fiovana hafa eo amin'ny fiainanao, dia mety ho mariky ny havizanana ara-tsaina izany. Manana anjara toerana lehibe amin'ny fitadidiana ny torimaso, ka mety hisy fiantraikany amin'ny fitadidiana ny tsy fahampian'ny fitsaharana.

Mora tezitra kokoa

Mora mahatezitra anao ve ny zavatra madinika izay tsy nampaninona anao taloha? Lasa tsy manam-paharetana amin'ny olona manodidina anao ve ianao? Mety ho famantarana izany fa sasatry ny ezaka tafahoatra ny atidohanao ary mila fotoana izy hialana sasatra.

Mihabetsaka ny fahadisoana atao

Rehefa reraka ny atidoha dia tsy mahavita mandray sy mandamina vaovao amin'ny fomba mahomby intsony. Izany dia mety hiseho amin’ny alalan’ny fahadisoana amin’ny asa, fanadinoana zavatra manan-danja, fihenan’ny fahombiazana amin’ny asa fanaonao andavanandro…

Sahirana mandray fanapahan-kevitra

Na dia safidy tsotra aza dia mety hahatonga anao hisalasala ela. Mety hanemotra asa ianao na sahirana amin'ny fandaminana ny laharam-pahamehana. Ny havizanana ara-tsaina dia mety hampihena ny fahaizan'ny atidoha mikarakara sy mandrindra asa maro amin'ny fomba mahomby.

Mahatsiaro misafotofoto ny ao an-tsaina

Maro ny olona milaza fa toy ny miasa miadana ny sainy, na tsy mazava tsara intsony ny eritreriny. Mety hahatsapa ho mora very hevitra ianao na tsy hahita ny teny tianao hambara, na dia miezaka mafy aza.

Ahoana no hanampiana ny atidoha hiala sasatra?

Rehefa miseho ireo famantarana ireo dia tsara ny:
-matory tsara sy ampy;
-maka aina mandritra ny asa mitaky fifantohana be;
-mampihena ny fanaovana zavatra maro miaraka;
-manao fanatanjahantena tsy tapaka;
-mametra ny fijerena efijery mandritra ny fotoana maharitra;
-manokana fotoana hanaovana fialamboly sy hialana sasatra.

Lire la suite

Articles Similaires