• Cours de change
  • €4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © W
Image
Asa & Fianarana

Zavatra tokony hodinihina alohan'ny hiovana asa

08/10/2026 14:56 © Moov.Mg

Fanapahan-kevitra lehibe eo amin’ny fiainana ny fiovana asa satria mety hisy fiantraikany amin’ny asa aman-draharaha, ny vola miditra sy ny kalitaon’ny fiainana. Alohan’ny hametrahana fialana amin’ny asa na hanaiky tolotra vaovao anefa dia ilaina ny mandinika tsara ireo lafin-javatra samihafa mba hisorohana ny fanenenana any aoriana sy hahazoana antoka fa tena mifanaraka amin’ny tanjona iriana io fiovana io.

Inona no antony manosika te hiova asa ?

Ny fanontaniana voalohany tokony hapetraka amin’ny tena dia ny antony manosika hiala amin’ny asa ankehitriny. Maro tokoa ireo antony mety mahatonga ny olona iray haka io fanapahan-kevitra io, ka anisan’izany ny :
-Karama tsy mahafa-po,
-Tsy fisian’ny fahafahana hiakatra toerana,
-Tontolo iasana sarotra,
-Asa be loatra ka miteraka havizanana,
-Faniriana hanova sehatra iasana,
-Fitadiavana fifandanjana tsara kokoa eo amin’ny asa sy ny fiainana manokana.
Rehefa mazava ny antony mahatonga ny tsy fahafaham-po dia mora kokoa ny mamantatra raha tena ilaina ny miova orinasa na misy vahaolana hafa azo jerena.

Fahafahana hivoatra amin’ny asa

Alohan’ny hialana amin’ny asa dia tsara ny mandinika raha mbola misy fahafahana hivoatra ao amin’ny orinasa iasana ankehitriny. Mety hisy tokoa mantsy ny :
-Fampiakarana toerana,
-Fiofanana matihanina,
-Fifindrana amin’ny sampana hafa,
-Fanomezana andraikitra vaovao.
Indraindray dia mety hahitana vahaolana ny firesahana mivantana amin’ny lehiben’ny orinasa.

Karama sy tombontsoa hafa

Isan’ireo antony mahazatra manosika ny olona iray hiova asa ny faniriana hahazo karama ambony kokoa. Tsy tokony ny karama fototra irery ihany anefa no jerena fa mila heverina ihany koa ireo tombontsoa hafa, toy ny :
-Tambinkarama sy « prime »,
-Tombontsoa ara-tsosialy,
-Fiahiana ara-pahasalamana,
-Isan’ny andro fialan-tsasatra,
-Fanampiana amin’ny saran-dalana,
-Fahafahana miasa amin’ny ora malefaka,
-Fahafahana manao « télétravail ».
Indraindray tokoa mantsy ny asa mikarama ambony kokoa dia tsy dia hahitana tombontsoa hafa manan-danja toy ireo notanisaina ireo.

Ny « stabilité » ny orinasa

Alohan’ny hidirana amina orinasa vaovao dia ilaina ny mamantatra bebe kokoa ny momba azy mba hahazoana antoka fa orinasa mahaloa karama tsara sy tsy atahorana hikatona tampoka izy io. Azo jerena arak’izany ny :
-Toe-bola sy fahasalaman’ny orinasa,
-Ny faharetany eo amin’ny tsena,
-Ny lazany sy ny fitokisana azy,
-Ny tahan’ny mpiasa miala,
-Ny vinavinan’ny fivoarany amin’ny ho avy.
Tsy tsara ny miditra amina orinasa marefo na tsy mazava ny hoaviny na dia manintona aza ny tolotra omeny.

Ny andraikitra vaovao horaisina

Alohan’ny hanekena toerana vaovao dia ilaina ny mahatakatra tsara izay andraikitra andrasana amin’ny tena. Mila dinihana tsara hoe :
-Mifanaraka amin’ny fahaizanao ve ireo asa hatao?
-Hanampy anao hianatra sy hivoatra ve io « poste » io?
-Azo tanterahina ve ireo tanjona apetraka?
-Mety amin’ny fahaizanao ve ny habetsahan’ny asa?
Tsy voatery hitovy amin’ny eritreretina foana mantsy ny tena votoatin’ny asa na dia manintona aza ny anaran’ilay « poste ».

Fiantraikany amin’ny fiainana manokana

Mety hisy vokany eo amin’ny fiainana andavanandro ihany koa ny fiovana asa. Mila dinihana arak’izany ny :
-Ny halaviran’ny toeram-piasana,
-Ny ora fiasana,
-Ny dia matetika ateraky ny asa,
-Ny fotoana miaraka amin’ny ankohonana,
-Ny haavon’ny rarintsaina mety hitranga,
Ny karama ambony kokoa dia mety tsy hahasolo ny fahaverezan’ny kalitaon’ny fiainana raha be loatra ny vesatry ny asa.

Vinavina maharitra

Ankoatra ny tombontsoa eo noho eo dia mila eritreretina ihany koa ny mety ho vokatr’io asa vaovao io ao anatin’ny dimy na folo taona. Ny fiovana asa dia mety hahasoa raha:
-Ahafahana mahazo traikefa vaovao,
-Manitatra ny tambajotra matihanina,
-Manatsara ny lanjan’ny mombamomba anao eo amin’ny tsenan’asa,
-Manokatra fahafahana bebe kokoa amin’ny ho avy.
Tsy ny fanatsarana ny toe-javatra ankehitriny ihany no tanjona fa ny fanomanana ny hoavy matihanina ihany koa.

Tsy mandray fanapahan-kevitra vokatry ny fihetseham-po

Mety handrisika olona hiala avy hatrany amin’ny asany ny fifandrina amin’ny lehibeny, ny havizanana na ny andro ratsy iray. Matetika anefa ny fanapahan-kevitra raisina an-katezerana na entin’ny fo dia mety hampisy olana any aoriana. Tsara kokoa arak’izany ny:
-Mandinika am-pitoniana ny zava-misy,
-Mampitaha tolotra maro raha misy,
-Mangataka hevitra amin’ny olona atokisana,
-Mandanjalanja ny tombony sy ny tsy lafy ratsiny.
Matetika ny fanapahan-kevitra voadinika tsara dia mitondra fahafaham-po kokoa amin’ny fotoana maharitra.

Lire la suite

Articles Similaires